Alahady 23 febroary 2020 — Alahady fahafito mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-48 — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian'ny Ray; ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.

0 : 00

Mampianatra an’ireo mpianany i Jesoa mba tsy hamaly ny ratsy amin’ny ratsy tahaka ny andidian’ny lalàna tamin’izany. Tsy ilaina tokoa mantsy ho antsika Kristianina ny manao valifaty ho an’ny zavatra ratsy. Raha amin’izao vanim-potoana  misy antsika izao, dia azo ambàra tahaka izao ny tian’i Jesoa tenenina: "Hajao izay manaratsy sy manenjika ary izay miady aminao, omeo valisoa izay maka ny fanananao".

Isan’andro isika dia afaka manatanteraka izany na dia hita ary fa tena sarotra. Tsy mora tokoa ny manaraka ny fampianaran’i Kristy satria toa hita fa mifanohitra amin’ny rariny ao amin’ny fiara-monina. Azo ambàra tokoa ary hoe : toa manome vahana ny mpanao ratsy. Ny fihevitr’Andriamanitra tokoa dia tsy mba fihevitr’olombelona. Ny rariny eo imasontsika dia tsy voatery ho rariny eo imason’Andriamanitra.

Noho izany dia hita fa hafa mihitsy ny fihevitr’i Jesoa, dia ny hoe: "Tiavo ny fahavalonareo". izany hoe fitiavana ho an’ireo izay tsy mitovy amintsika sy hoo an’ireo izay manao ratsy ho antsika. Manaraka izany, dia ny mbola mivavaka ho azy ireo aza. Izy Jesoa mihitsy no niaina izany voalohany. Hitantsika izany rehefa namadika azy i jodasy dia mbola nantsoiny ihany hoe: "ry sakaizako", toy izany koa ireo namono azy, dia mbola nivavaka sy nangatapamelana ho azy ireo Izy: "Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony".

Andriamanitra Fitiavana noho izany no Andriamanintsika izany hoe tsy ny mpanao ratsy no tsy tiany fa ilay ratsy ataony mihitsy. Ny tanjony mantsy dia  ny mba hialan’ny mpanao ratsy amin’ny fanaovan-dratsy fa tsy ny hanongotra ny mapano ratsy akory izay endrik’Izy Andriamanitra.

Ny fitiavan’Andriamanitra amintsika dia lavorary tsy misy fiatsarambelatsia ary Izy dia tia hatramin’ny farany tsy misy fepetra. Ary io fitiavana io no tiany hiainantsika Olombelona mba handresy ny ady sy ny fankahalana.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...