29 aprily 2023 — Sabotsy, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)

Ny fampianaran’i Jesoa Kristy eto dia mihoatra ny fahalalan’ny olombelona. Tsy vitan’ny hoe tsy azon’ireo nihaino ny fampianarana fa tena tsy eken’ny sain’izy ireo mihitsy. Nisy mantsy no nandray ara-bakiteny ilay tenin’i Jesoa hoe : “Izay nihinana ny Nofoko sy nisotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay”. Hany ka betsaka tamin’ireo nihaino ny teniny ireo no niala sy nandao Azy. Manoloana izay àry dia mba te hahalala ny ao am-pon’ireo mpianany koa i Jesoa ka nanontany azy ireo mazava tsara : “Ianareo koa ve mba te hiala?”, ka namalin’i Piera azy hoe “hankany amin’iza ary izahay? fa ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay”. Raha tsorina ny tian’i Piera ambara dia hoe tsy fantatray ary tsy azonay izay lazainao fa izahay kosa anefa mahalala fa ianao no Mesia sy Tomponay, ka vonona izahay hanaraka Anao amim-pinoana sy amim-pitiavana.

Tsy voatery ho azon’ny saintsika olombelona daholo ny voalazan’i Jesoa fa afaka manara-dia Azy isika. Eo ny finoana izay manampy antsika tsikelikely sy ny fampianarana ataon’ny Eglizy mba hiarahantsika Aminy mandrakariva.

Mba hinoantsika sy hanekentsika izay ambaran’i Jesoa àry dia mila mitia Azy amin’ny fontsika sy ny saintsika manontolo isika. Ny fitiavana tokoa no endrika iray tsy ahafahantsika misaraka Aminy.

Tompo ô, ampio izahay mba tsy hisaraka Aminao.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...