27 aprily 2023 — Alakamisy, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 44-52)

Amin’ny ankapobeny dia mihevitra isika kristianina fa ny finoana dia toy ny zavatra mandeha ho azy. Matoa isika miaina ao anaty finoana kristianina, dia ireo ray aman-dreny no nampita izany tamintsika. Ny finoantsika àry dia tsy tokony hijanona amin’ny fampitana fotsiny fa tokony hahatsapa ihany koa fa fanomezan’Andriamanitra ho antsika izy io. Hisaorantsika mandrakariva àry Izy Andriamanitra noho ny nanomezany antsika ny finoana.

Noho ny finoana ary no hitarihan’i Jesoa antsika ho any amin’ny Ray. Izy mantsy efa niteny hoe : “Izay mahita Ahy dia mahita ny Ray”. Ny endrik’i Kristy no manambara antsika ny misterin’ilay Andriamanitra Ray tsy hita maso. Tsy afaka hahalala ny Ray tokoa isika raha tsy mahalala an'izy Jesoa. Iza tokoa moa no mahalala ny Ray ankoatra ny Zanaka ? Ny zanaka ihany mantsy no any amin’ny Ray ary Izy Irery ihany no afaka manambara momba ny Ray. Manambara amintsika àry i Jesoa fa Izy no Mofon’ny fiainana ho an’izay mihinana Azy izany hoe mino Azy. Izy no mitondra antsika any amin’ilay fiainana mandrakizay.

I Jesoa, ilay mofo nidina avy any an-danitra àry dia manome ny Tenany ho antsika ao amin’ny Eokaristia. Ary izay mandray Azy tokoa dia ho velona mandrakizay.

Tompo ô, misaotra Anao izahay noho ny nanomezanao ny Tenanao mba ho vatsim-panahy ho anay hankanesana any amin’ny tena fiainana.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...