26 aprily 2023 — Alarobia, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 35-40)

Iray ihany ny mofon’ny fiainana izay maharitra mandrakizay, dia i Jesoa zanak’Andriamanitra. Izy no nirahan’ny Ray eto amin’izao tontolo izao, mba hanavotra antsika izay maty tao anatin’ny fahotana. Izay mino izany dia avy amin’Andriamanitra fa izay avy aminy mantsy dia tsy mba ho very satria ny faniriany dia ny mba handovan’ny olona rehetra ny fiainana mandrakizay.

Manoro sy mampianatra antsika ny lalana mankany any amin’Andriamanitra Ray eto i Jesoa amin’ny alalan’ny teniny. Fa mbola nampiany ihany koa anefa izany fa izy no sakafon’ny fiainana raha te hahazo herim-panahy sy finoana isika. Ao amin’ny Eokaristia araka izany no hahitantsika an’io sakafom-panahy io. Ao no hahitantsika hery sy hampitombo ny finoantsika ary hanekentsika ny tenin’iJesoa.

Fa raha ohatra isika ka mandray an’i Jesoa nefa tsy miaina izay nolazainy dia mitovy an’ireo vahoaka tamin’izany “nahita nefa tsy nino”. Ny finoana akory tsy hoe mihaino fotsiny ny tenin’Andriamanitra fa indrindra manatanteraka izany am-pitiavana. Ary izay no miantoka ny fahazoana ny fiainana mandrakizay. Irin’Andriamanitra àry isika mba hiaina ny finoana mandrakariva satria tiany hiaraka Aminy ary tsy misy avelany ho very izay mino Azy.

Tompo ô, Ianao no mahavelona anay mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...