22 aprily 2023 — Sabotsy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 16-21)

Nony hariva ny andro,
taorian’ny fampitomboana ny mofo,
dia nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianatr’i Jesoa,
ka niondrana tamin’ny sambo kely
ary nita ny ranomasina ho any Kafarnaôma.
Efa alina ny andro tamin’izay,
nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa,
ary nanonja ny ranomasina,
fa nifofofofo mafy ny rivotra.
Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stady izy ireo,
dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina
sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra.
Fa hoy Izy taminy:

“Izaho ihany fa aza matahotra.”

Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo,
ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...