20 aprily 2023 — Alakamisy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 31-36)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe:

“Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra;
fa izay avy amin’ny tany dia tany,
ka ny ety an-tany ihany no lazainy.
Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra;
ary izay efa hitany sy reny no ambarany,
nefa tsy misy mandray ny fanambaràny.
Izay nandray ny fanambaràny
dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra
fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.
Ny Ray tia ny Zanaka,
ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra.
Izay mino ny Zanaka
no manana ny fiainana mandrakizay,
fa izay tsy mino ny Zanaka
dia tsy hahita ny fiainana
fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...