14 aprily 2023 — Zoma amin'ny Havalon'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)

Atolotra amintsika amin’ity Evanjely ity ny nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany teo amoron-dranomasin’i Tiberiady, tao aorian’ny fitsanganan-ko velona. Mbola tsy teo i Jesoa fa izy enina mirahalahy mpianatra nanaraka an’i Piera hanarato. Mpanarato mahay, niasa nandritra ny alina kanefa indrisy tsy nahazo na inona na inona. Niasa maina raha adika, hany ka reraka angamba. Asehon’izany ilay fiainana tsy miaraka amin’Andriamanitra: na mahay tahaka ny inona aza isika mandeha mipoka atsy sy aroa dia ho asa very maina foana rehefa tsy miaraka amin’Andriamanitra. Miaraka aminy aza indrindray sahirana, mainka moa manalavitra Azy! Fa rehefa tonga teo kosa i Jesoa nony maraina ka nampandatsaka ny haraton’izy ireo teo ankavanan’ny sambo kely, tsy niandry alina akory dia nahazo hazandrano ireto mpianatra ireto. Nanaraka ny baikony izy ireo na tsy fantany aza hoe i Jesoa io ka nahazo, “ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato”. Vokatry ny fiarahana amin’Andriamanitra izany: be lavitra noho ny eritreretina ny vokatra azo. Isika olombelona no kahihitra matetika ka manao takalom-patsa vidim-pihinanana, domina tapany handoa erany, fa ny Azy Andriamanitra kosa feno sy avo loha, mitobaka aza, tsy mila tambiny! Tsara ho marihina fa i Jesoa teto tsy niteny hoe: “Mandehana raofy ny hazandrano anaty ranomasina” fa hoe: “Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo fa hahazo ianareo.” Mila mandatsaka ny haratontsika isika mba hahazo, ao ankavanana; araka ny baikony fa tsy any an-kafa. Ny harato alatsaka no hahazoana hazandrano eto fa tsy ny tanana na zavatra hafa fakana trondro no entina hakana azy anaty rano. Izany hoe miainga amin’ny asa fanaontsika ihany ny fanampiana omen’Andriamanitra antsika matetika fa tsy hoe zavatra hafa ery! Ao amin’ireny asa sy sehatra ikatrohana ireny no isehoan’izany fahasoavan’Andriamanitra tsy takatry ny saina izany ka aza manonofy antoandro na tsy misasatra akory nefa te hanam-be! Ny valala aza tsy azo tsy handriana hilika, ny fahasoavana ihany koa tsy azo tsy isasarana izany!

Rehefa azo ny trondro dia manasa antsika hisakafo indray i Jesoa. Mova tsy izany va no ataony isaky ny handray Kômonio isika ka ilazan’ny pretra hoe: “Sambatra izay voaantson’ny Zanak’ondry amin’ny fanasany”. Tsy fanasan’olombelona fa an’Andriamanitra ka zovy no tsy hamaly? Ireo manan-tsampona aza efa tsy fidiny. Ary ny sakafo omeny aza amin’izany tsy hoe trondro intsony fa ny Tenany mihitsy. Sakafo tsy manam-paharoa. Maneho an’Andriamanitra manatona antsika olombelona sy mifanapaka aina amintsika i Jesoa nanatona eto, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo mpianany; ary toy izany koa ny hazandrano. Izay iray vatsy iray aina ka tsy ain’olombelona fotsiny fa tena Ain’andriamanitra mihitsy, dia Ilay raisina amin’ny Kômonio izany.

Ry Havana, arotsahy ny haratontsika mba hahazo trondro, araho ny baikony, fa aza ny saim-pantatsika fotsiny no atao, fa tsy hanenina isika. Fantany izay mahasoa antsika. Paka ny andro.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...