Alakamisy 30 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 51-59)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Jody hoe:
“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha misy mitandrina ny teniko,
dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.”
Dia hoy ny Jody:
“Fantatray amin’izao fa manana demony Ianao;
i Abrahama sy ny mpaminany aza maty,
fa Ianao kosa manao hoe:
Raha misy mitandrina ny teniko,
dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy.
Angaha Ianao lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty?
Ny mpaminany koa efa maty;
manao Anao ho iza re Ianao e?”
Dia hoy i Jesoa:
“Raha manome voninahi-tena Aho,
dia tsinontsinona ny voninahitro;
fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo
no manome voninahitra Ahy.
Tsy fantatrareo anefa Izy;
fa Izaho no mahalala Azy,
ary raha milaza ho tsy mahalala Azy Aho,
dia ho mpandainga tahaka anareo koa:
fa fantatro Izy, ary mitandrina ny teniny Aho.
Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo
nanantena hahita ny androko;
ary nahita izy ka faly.”
Dia hoy ny Jody taminy:
“Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao,
ka dia hoe nahita an’i Abrahama?”
Hoy i Jesoa taminy:
“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fony mbola tsy àry i Abrahama,
dia efa Izaho Aho.”
Tamin’izay dia naka vato izy ireo hitorahana Azy;
fa niery i Jesoa ka nivoaka ny tempoly.