Alahady 26 marsa 2023 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Taona A — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 1-45)

Tamin’izany andro izany,
nisy lehilahy anankiray narary atao hoe i Lazara, avy any Betania,
vohitr’i Maria sy i Marta rahavaviny.
I Maria dia ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo
sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany;
ary i Lazara anadahiny no narary.

Dia naniraka olona tany amin’i Jesoa ireo anabavin’i Lazara hilaza hoe:

“Tompo, marary ilay tianao”.

Nony ren’i Jesoa izany, dia hoy Izy:

“Aretina tsy ho fahafatesana ity,
fa ho voninahitr’Andriamanitra,
sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra.”

Ary tian’i Jesoa i Maria sy i Marta rahavaviny ary i Lazara.
Nefa nony reny hoe marary i Lazara,
dia mbola nitoetra indroa andro tamin’izay nitoerany ihany Izy.
Nony afaka izany vao hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Andeha isika ho any Jodea indray”.

Ka hoy ny mpianany taminy:

“Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato Anao ny Jody,
ka dia hankany indray ve Ianao?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Tsy roa ambin’ny folo ora va ny indray andro?
Ka ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina,
satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao;
fa ny mandeha amin’ny alina no tafintohina,
satria tsy manam-pahazavana”.

Nony voalazany izany dia nampiany hoe:

“Matory i Lazara sakaizantsika,
fa ndeha hamoha azy Aho”.

Ka hoy ny mpianany:

“Raha matory izy, Tompoko,
dia ho sitrana”.

Ny nahafatesany no nolazain’i Jesoa,
nefa torimaso tsotra izao kosa
no nampoizin’izy ireo.
Izay i Jesoa vao nilaza tsotra tamin’izy ireo hoe:

“Maty i Lazara,
ary noho ianareo dia faly Aho satria tsy tao,
mba hinoanareo;
koa andeha isika hankany aminy”,

Dia hoy i Tômà izay atao hoe Didimo
tamin’ny mpianatra namany:

“Andeha koa isika mba hiara-maty aminy”.

Nony tonga tany i Jesoa,
dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
Ary i Betania dia tao akaikin’i Jerosalema
tokony ho dimy ambin’ny folo stady,
ka maro tamin’ny Jody no tonga tao amin’i Marta sy i Maria
mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan’ny anadahiny.
Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy i Jesoa,
dia nandeha nitsena Azy izy,
fa i Maria no nijanona tao an-trano.
Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa:

“Raha taty Ianao, Tompoko,
dia tsy maty ny anadahiko.
Ary na dia izao aza, dia fantatro
fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra,
dia homen’Andriamanitra Anao”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Hitsangana ny anadahinao”.

Fa hoy i Marta taminy:

“Fantatro fa hitsangana izy
amin’ny farandro fitsanganan’ny maty”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no fananganana sy fiainana;
izay mino Ahy, na dia maty aza,
dia ho velona indray;
ary izay rehetra velona ka mino Ahy
dia tsy ho faty mandrakizay.
Mino izany va ianao?”

Dia hoy izy:

“Eny, Tompoko,
mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona,
Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao”.

Ary rehefa nilaza izany izy,
dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe:

“Ao ny Tompo, ka miantso anao Izy”.

Vao nandre izany kosa i Maria
dia nitsangana niaraka tamin’izay,
ka nankao aminy.
Fa mbola tsy tonga tao an-tanàna i Jesoa,
fa mbola teo amin’izay nitsenan’i Marta Azy ihany.
Nony hitan’ny Jody izay tao amin’i Maria
tao an-trano sy nitsapa alahelo azy
fa nitsangana haingana izy ka nivoaka,
dia nanaraka azy izy ireo,
fa nihevitra hoe:

Lasa hitomany any amin’ny fasana izy.

I Maria kosa, nony tonga tao amin’izay nitoeran’i Jesoa ka nahita Azy,
dia niankohoka tamin’ny tongony sy nanao taminy hoe:

“Raha taty Ianao, Tompoko,
dia tsy maty ny anadahiko”.

Nony nahita azy nitomany i Jesoa
sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa,
dia nandevy ny Fon’i Jesoa ary nientana iray ihany ny Tenany rehetra.
Ka hoy Izy:

“Aiza no nandevenanareo azy?”

Dia hoy ireo taminy:

“Andeha Ianao hizaha, Tompoko”.

Ary nitomany i Jesoa.
Dia hoy ny Jody:

“Akory ity haben’ny fitiavany azy!”

Fa hoy kosa ny sasany tamin’izy ireo:

“Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty,
nefa ny mason’ilay teraka jamba nampahiratiny?”

Dia niontana indray ny Fon’i Jesoa,
ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana,
izay zohy norakofana vato.
Ary hoy Izy:

“Esory ny vato”.

Ka hoy i Marta anabavin’ny maty taminy:

“Efa maimbo izy, Tompoko,
fa efa hefarana izay”.

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tsy efa voalazako taminao va
fa raha mino ianao,
dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?”

Dia noesorina ny vato,
ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe:

“Misaotra Anao Aho, Raiko,
satria efa nihaino Ahy Ianao.
Raha Izaho, dia fantatro
fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao;
fa noho ireto vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany,
mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy”.

Rehefa nilaza izany Izy
dia niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Mivoaha, ry Lazara”.

Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty,
ny tongotra aman-tanany nisy fehim-paty,
ary ny tavany nisarona lamba.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny olona:

“Vahao izy ka avelao handeha”.

Ary maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta
sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...