Alatsinainy 20 marsa 2023 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 16. 18-21. 24a)

I Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria
izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Josefa vadiny,
noho izy lehilahy marina
sady tsy te hanala baraka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:

“Ry Jôsefa zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao ankibony
dia avy amin’ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony
ho afaka amin’ny fahotany.”

Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Josefa
dia nanao araka izay nandidian’ny Anjelin’ny Tompo azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...