Alahady 5 marsa 2023 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Taona A — Tao anatin’ny rahona mamimpiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 1-9)

Eo am-piomanana amin’ny Paka, dia aroson’ny Fiangonana hodinihantsika amin’ity alahady faharoa amin’ny Karemy ity ny fiovan’ny Tompo tarehy (Mt 17, 1-9) izay santatr’ilay voninahitry ny Paka, amin’ny fitsanganany ho velona (prefasy).

Raha dinihantsika tsara ny antony hamakiana ity Evanjely ity anio dia ahitantsika ny tena hevitry ny fibebahana ka hanampy antsika amin’izany lalan’ny fibebahana marina izany.

Santatr’ilay voninahitry ny paka amin’ny fitsanganana ho velona. Ny antony hialana amin’ny ratsy dia mba ho tsaratsara kokoa ; tsy azo hadinoina fa ny Karemy dia famantarana ny fibebahana, fandaozana ny fahafatesana fa ny fahafatesana no misy voninahitra raha ny fitiavana sy ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra no anton’ny fahafatesana. Ary satria tsy maintsy ho faty ihany.

Tsy azo sarahana amin’ity Evanjely ity ny fiekempinoan’i Piera izay voafidy ho vato hanorenana ny Fiangonana (Mt 16, 13-19).

Misy olona mivavaka kanefa toa mahita fa toa tsy mety hatrany ny fandehan-javatra, ny fiovan’ny Tompo tarehy no manampy antsika hahazo fa lalana vaovao no mitondra antsika amin’ny tranolay vaovao honenan’Andriamanitra, tsy ny mofo ihany no mahavelona fa ny teny rehetra haloaky ny vavan’Andriamanitra, raisin’izay manaiky ny ho mpanompo tahaka an’Andriamanitra.

Ny fiovan’ny Tompo tarehy dia manambara amintsika ny tsiambaratelon’ny vavaka. Ho an’ireo eveka sy ny pretra na relijiozy sy mpitarika ara-panahy dia manan-danja manokana ny vavaka izay hifotoran’ny fanarahan-dia an’i Kristy.

Inty ny zanako malalako, henoy Izy ; voaantso hihaina ny fianam-baovao ao amin’i Kristy mialoha ny hitoriana azy amin’ny hafa. Manana adidy haneho ny endrik’Andriamanitra amin’ny hafa manko ny zanak’Andriamanitra rehetra : i Moizy sy i Elia dia efa nisantatra ny Karemy, izay efapolo andro hiomanana hiaonana amin’ny Tompo. I Moizy moa nijanona efapolo andro sy efapolo alina tany an-tendrombohitra tao amin’ny rahona mba hihaona amin’ny Tompo any an-tendrombohitra (1 Mpanjaka 19, 8). Ary i Kristy nivavaka sy nifady hanina tany an’efitra efapolo andro sy efapolo alina mialoha ny niantsoany ny mpianany tamin’ny alahady lasa, alahady voalohany amin’ny Karemy (Mt 4).

I Moizy sy i Elia dia taratry ny voninahitr’Andriamanitra, satria izy ireo no vavolombelona nahita ny voninahitr’Andriamanitra nonina tao Sinaia. Ny tranolay fihaonana dia fahatsiarovan’ny Jody io fisehoan’ny voninahitra nandrakotra ny tendrombohitra nandritra henemana io, ka ny andro fahafito Andriamanitra niteny tamin’i Moizy, saingy i Moizy ihany no naminany ka niteny tamin’ny zanak’Israely hoe : “hanangana mpaminany anakiray tahaka ahy eo afovoanao” (Det 18 ,15). Ny lalàna voasoratra tamin’ny takelaka no vavolombelon’ny fanehoan’ny Tompo tamin’ny vahoakany (tranolay voalohany). Ny mpaminany dia tsy nanao afa-tsy ny nampahatsiaro ny vahoaka mba tsy hanao fo vato ka handà ny lalàn’ny Tompo (tranolay faharoa) ilay teny tonga nofo no ilay Zanak’Andriamanitra anaram-boninahitra homena ny zanany ny Mpanjaka mandray ny fiketraham-boninahitra ka asandratra hoe Mesia hiaro sy hahasambatra ny vahoaka. Mesia araka ny sitrapon’Andriamanitra anefa (Iz 42, 23).

Ny fihainoana Azy no zary tranolay ahatonga antsika ho fonen’Andriamanitra (Jo 14, 23). Izy no ilay Emanoela tranolay mandrakizay maneho fa miara-monina amintsika vahoakany Andriamanitra.

Natsangan’Andriamanitra ho zanany isika tamin’ny Batemy noraisintsika ary fotoana hanavaozana izany voninahitra maha zanaka antsika izany ny Karemy. Ao amin’ny Kristy no ahafahantsika mitandrina ilay akanjo fotsy porofon’ny nampakarana antsika ho vadiny ao amin’ny Eglizy amin’ny alalan’ireo sakramenta (Batemy, Kôminio, Fankaherezana, Mariazy, Filaharana). Tsy ankanjom-boninahitra fotsiny fa fanehoana koa ny ny fahavononan-kanompo, haneho ny maha mpanjaka antsika amin’ny fampanjakana ny fitiavana, hiaina ny maha mpaminany antsika amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana na hijaly aza (martiry) ary hivelona ny maha mpisorona amin’ny fitiavam-bavaka.

Ny fihaonana amin’ny Ray eny an-tendrombohitry ny Tompo (fivavahana) no hany loharanon-kery hitondrana ny hazofijaliana sy hanarahan-dia an’i Kristy.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...