Sabotsy 4 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

Ry mpihaino hajaina, hiroso amin’ny herinandro faharoa sahady isika amin’izao vanim-potoanan’ny karemy izao. Ny tenin’Andriamanitra izay loharanon’ny fahendrena dia tsy mitsahatra mampianatra antsika ireo hatsaram-panahy, anisan’izany ny fitiavana. Andriamanitra dia fitiavana (1 Jo 4, 8). Noho izany mampianatra i Jesoa mba haka tahaka ny Ray isika. “Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny Rainareo izay any an-danitra”. Ilay Ray izay be fitiavana, tsy manavakavaka, “mampiposaka ny masoandro amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy sy mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina”. Tena hafa tokoa ilay Andriamanitra nahary antsika, raha sanatria ka nisy ny fanavahana dia tsy mitoetra amin’ny maha Andriamanitra intsony Izy fa Rain’izay mino ihany ka mahatonga ny fitsitokotokoana sy fisarahana ny nohariny. Tsy mahagaga i Jesoa raha mampianatra antsika hitia koa na dia ny fahavalo aza.

Iza moa ireto fahavalo ireto, mety ho ireo tsy mitovy hevitra amintsika, mety ho ireo tsy mitovy loko politika amintsika, mety ho ireo mpanenjika antsika, mety ho ireo mpanaratsy antsika... izany hoe ireo tsy tia antsika. Ireo indrindra anefa no nahatongavan’i Jesoa, ireo ondry very. Tsy tian’Andriamanitra ho very na dia iray aza ny andian’ondriny, tiany ho voavonjy ho ao anaty valan’ondriny.

Ireto ny hatsaram-panahy nampianarin’i Jesoa manoloana ireo tsy tia antsika, hoy Izy: “mivavaha sy manaova soa ho azy ireo”. Midika izany fa aza manao valifaty, mahaiza mandefitra sy mamindra fo. I Jesoa no nampianatra antsika ny famindram-po sy ny halemem-panahy nanoloana ny famonoana azy: tsy nampiasa ny fahefana nanany: nandefitra, nangataka tamin’ny Rainy ny famelana: “Raiko, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony” (Lk 23, 34).

Mety ho sarotra ny mamela heloka na ny mitia ny fahavalo amin’ny maha olombelona antsika, fa izay mamela heloka dia maneho fitiavana. Tsy sanatria faharesena ny famindram-po fa fakana tahaka ny Ray. “Sambatra ny mamindra fo fa hamindrana fo izy” (Mt 5, 7) ary izay mamela dia ho voavela heloka (Mt 6, 12). Tsy mora ny fiainana maha kristianina fa mitaky fiainam-baovao tsy mitovy amin’ny hevitsika olombelona. Ary tsy vita koa ny mitia ny fahavalo raha tsy miaraka amin’Andriamanitra. Ny olomasina Papa Joany Paoly faharoa ohatra, nandeha namangy ny olona nifofo ny ainy tany am-ponja.

Ry Ray mpamindra fo, tia ny olona rehetra ô, omeo fo madio mora mahay mandefitra sy mamindra fo tahaka anao izahay, manoloana ireo fahavalonay sy ireo tsy tia anay. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...