Zoma 3 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Ry mpihaino hajaina, tsy sasatra ny Soratra Masina mampianatra antsika hiroso lalindalina hatrany amin’ny tena maha kristianina antsika. Hoy mantsy i Jesoa tamin’ny mpianany: “Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina ny fahamarinanareo dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo”. Tsy sanatria fieboeboana na fiavonavonana manoloana ny hafa ny tenin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa fampirisihana antsika ho lavorary amin’ny maha mpianany sy amin’ny maha mpanara-dia. Ho fanasina sy fahazavana ianareo (Mt 5, 13). Hitantsika àry fa ny fampianaran’i Jesoa dia tsy mijanona ho fombafomba ety ivelany fotsiny fa tena mampiova ny fitondran-tenantsika sy ny fiainantsika. I Jesoa izay tsy tonga handrava fa hanatanteraka ny lalàna sy ny mpaminany (Mt 5,17).

Ohatra anio ny hoe “aza mamono olona” dia tonga any amin’ny hoe tsy ny mandatsak’aina ihany no mamono olona fa na dia ny teny mandratra na ny tsy fanajana ny hafa aza dia mamono. Tsy hijanona fotsiny amin’ny vokany isika fa hijery ny tena antony mahatonga izany. Mety avy amin’ny fahatezerana, fanesoana na fihantsiana no antony mahatonga ny famonoana. Ny famonoana olona dia fahotana mahafaty ary isika olombelona dia tsy manan-jo hanafaka ain’olona. Izy Andriamanitra mpahary irery no tompon’ny aina. Lahitokana ny aina hoy isika ka mila arovana sy karakaraina. Tian’Andriamanitra ho velon’aina mandrakizay isika. Izany no antony namonjeny antsika, nanirahany ny zanany hanome antsika ilay aina tsy mety maty. Izao fotoan’ny karemy izao no mampandinika antsika na mpikarakara fahavelomana na mpamono aina isika.

Misy akony amin’ny Sorona Masina atrehantsika izany. Hoy i Jesoa mampianatra: “Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao dia avelao eo aminy ôtely aloha ny fanatitrao ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray”. Noho izany manosika antsika hijery akaiky ny toetrantsika i Jesoa mba ho lavorary ny vavaka ataontsika. Izany no mahatonga antsika mibebaka ka mandray ny sakramentan’ny fampihavanana mandritra ny karemy, farafaharatsiny. Ny sakramentan’ny Eokaristia sy ny fampihavanana àry dia tsy azo sarahina ho antsika kristianina. Tsy misy dikany ny fisehoantsika ety ivelany mandeha mivavaka raha tsy madio tanteraka ny ao anatintsika. Ny fitiava-namana dia manamarina sy manamasina ny vavaka atolontsika.

Ry Ray fototry ny fahasoavana rehetra ô, ny Fanahinao anie hampianatra anay ny tena fihavanana marina amin’izao karemy izao. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...