Sabotsy 25 febroary 2023 — Sabotsy, manaraka ny Lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nahita poblikanina anankiray atao hoe Levi,
nipetraka teo amim-pamonan-ketra, ary hoy Izy taminy:

“Manaraha Ahy.”

Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka Azy izy.
Nanao fanasana lehibe ho Azy tao an-tranony i Levi,
ary nisy poblikanina sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy tao.
Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna
ka nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota ianareo?”

Fa novalian’i Jesoa hoe:

“Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary.
Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.”

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...