Talata 7 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)

“Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?” Io no fanontaniana nentin’ireo Farisianina sy mpanora-dalàna tamin’i Jesoa. Ny manasa tanana alohan’ny sakafo dia tsy fombam-pivavahana akory fa fahalalam-pomba ara-pahasalamana. Ary i Jesoa tsy nandà mihitsy hoe tsy ilaina ny fanasan-tanana fa fihetsika kosa izay tsy misy hifandraisana amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra izany, satria fomban’olombelona ihany. Eo imason’Andriamanitra tokoa anie dia tsy ny fombantsika no hitsarana antsika fa ny fitiavana izay ao anatintsika ao.

Tsy tian’i Jesoa isika, noho izany, ho voafatotry ny lalàn’olombelona, izay zavatra ety ivelany no mila tandremana bebe kokoa. Ny didin’olombelona mantsy dia tsy mahasolo na oviana na oviana mihitsy ny didin’Andriamanitra. Ny didin’olombelona mantsy dia ny fanaovana sy ny fanatanterahana azy no zava-dehibe, mba hialana amin’ny sazy izay mety hihatra sy mba ho hitan’ny hafa hoe manao ny fanaon’ny olona. Fa ny didin’Andriamanitra kosa, dia ny fitiavana eo am-panatanterahana azy no jerena fa tsy ny fahavitana akory. Azo atao tsara ange ny mitondra fanatitra ho an’Andriamanitra tsy am-pitiavana, satria ny tanjona dia ny hoe hitan’ny olona mitondra fanatitra, manaraka ny Lalàna. Fa raha atao am-pitiavana izany dia ny didin’Andriamanitra no manjaka ao amintsika. Ataovy am-pitiavana àry ny zavatra rehetra eo imason’Andriamanitra.

Tompo ô, enga anie ny fomba amam-panaonay mba tsy ho sakana amin’ny fanarahanay Anao.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...