Alakamisy 2 febroary 2023 — Ny nanolorana ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)

Andro manokana ho antsika ity andro ankalazana ny nanolorana ny Tompo tao an-tempoly ity. Miarihary araka ny tenin’i Simeona, rentsika teo, ny nahazoansika Mpamonjy, hanafaka antsika amin’ny haizina ateraky ny fahotana, hampianatra antsika ny fomba iainana ny finoana marina an’Andriamanitra.

Fa io Zanak’Andriamanitra, ilay Fahazavana ho an’izao tontolo izao io dia:

  • Natolotra tao an-tempoly mba ho fianarana sy ohatra tahafina ho antsika fa voatokana ho an’Andriamanitra noho ny Batemy; ka mila tonga ao an-tranony mba hanompo Azy.
  • Nanaiky sy nankatoa ny lalana mba hampianatra antsika fa ny fankatoavana sy fitandremana ny didin’ny Ray, toy nataony, no fanehoana fitiavana Azy.
  • Naneho toe-piainana tsara mba halalantsika ny fiainana ao amin’Andriamanitra sy ianarantsika ny fombany, hisehoan’ny tena maha zanany antsika.
  • Tonga handroaka ny haizina vokatry ny fahotana, mandrakotra an’izao tontolo izao sy mameno ny fontsika, hizorantsika amin’ny mazava toa Azy.

Samy voaantso ho amin’ny fahamasinana isika, natao ho lavorary toa an’ilay Nahary sy tia antsika. Koa aoka hazava fo sy tsy hanadino na hanao antsirambina ny hasarobin’ny maha isika antsika eo anatrehan’Andriamanitra; aoka tsy hanadino ny tokony ho fiainantsika, fa efa tonga eo anivontsika ilay Fahazavana avy any ambony, mitarika antsika rehetra ho tonga any.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...