Alatsinainy 30 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)

Tarihan’i Masindahy Marka isika handinika ny lalana nizoran’i Kristy sy ny fahagagana nataony, izay maneho ny famonjena entiny dia “ny fanafahana ireo miaina ao anatin’ny fangenjana maro isan-karazany, endriky ny fahafatesana sy fisarahana, ho an’ireo lavitra an’Andriamanitra”.

Ny fanasongadinana ity lehilahy azon’ny demony ity, indrindra ireo manjo azy sy ny tsy fahafahan’ny mpiray monina mamolaka azy, dia maneho ny haratsian’ny toe-piainana manjo antsika olombelona voagejan’ny fahotana sy ny fisaraham-bazana aterany amin’ireo miara-monina amintsika. Fa rahefa manompo fahotana isika dia tsy hanam-pahefana amin’ny tenantsika intsony, fa hanaiky azy tanteraka ary handeha amin’izay hitondrany antsika. Diniho ity nanjo an’ilay azon’ny fanahy maloto, fa tsy tompon’ny tenany intsony fa itoeran’ny herin’ny ratsy sady tsy afaka niara-nitoetra tamin’ireo iray tanana aminy akory.

Iza àry, no afaka hamonjy antsika amin’ny asan’ny demony? Iza no manana fahefana handresy ny ratsy ao amintsika? Tsy misy afa-tsy i Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra Avo indrindra. Eo anatrehan’i Kristy mantsy, dia tsy misy hery mahatohitra Azy. Ary Izy irery ihany no afaka hanala ny fatorana sy ny geja, vokatry ny fahotana, misy amintsika olombelona, mba haha olona afaka antsika.

Koa meteza hanatona Azy miaraka amin’izay manjo antsika, meteza hafahany fa ny hamonjy antsika amin’ny haratsiana rehetra, hampiombona antsika amin’Andriamanitra sy hanompoantsika Azy no nahatongavany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...