Zoma 21 febroary 2020 — Herinandro fahenina mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 34-39 — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.

0 : 00

Eto amin’ity Evanjely ity no voafaritra mazava ny atao hoe: kristianina, tsy fanekena na fanohanana ara-poto-kevitra fa fiainana manahaka an’i Kristy: mizotra amin’izay nodiavina, maka tahaka ny toetrany ary manatanteraka ny nataony.

Ny hazofijaliana no ambaran’i Kristy fa lalana tsy maintsy diaviny; hazofijaliana izay isehoan’ny voninahiny sy ahazoan’ireo manara-dia Azy ny fandreseana, izany hoe: ny fanavotana mandrakizay.

Izy Mpamonjy no nampianatra antsika manara-dia Azy hitondra ny Hazofijaliana, hahafoy ny aina, tsy hivadika amin’ny maha-kristinanina antsika mba iombonantsika anjara amin’ny Fitsanganany ho velona. Tsy mora mantsy ny miaina araka ny Evanjely, ary tsy misy maha-kristianina ny kristianina raha tsy misy fahafoizana ary faratampony amin’ny fahafoizana ny fanaovana martiry ny tena noho ny finoana.

Fampitandremana ho an’ireo kristianina alaim-panahy handà tsy hizotra amin’ny lalana voasoritra ho diavina io tenin’i Kristy, Evanjely nambara tamintsika anio io: dia ireo mety ho endrika fanenjehana sy fisedrana maro mahatonga antsika ho kivy sy tsy hahari-pery amin’ny finoana. Koa enga anie hampandinika sy hanentana antsika izany: iainantsika marina ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...