Sabotsy 28 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Henontsika teo i Jesoa miaraka amin’ny mpianany mandeha sambo kely, misedra tafiotra mahery. Toa maneho ny saritsarin’ny fiainantsika àry ity sombin’ny Evanjely henontsika teo ity araka izany: isika misedra olana sy fitsapana matetika eo amin’ny fiainana, ka mila Azy Jesoa hampitony ny fisamboaravoaran’ny fiainanatsika.

Voalohany, hariva ny andro: lasa ny mazava ka tonga ny haizina, lasa ny andro ka tonga ny alina. Izy Jesoa no tena fahazavana mbola eo, fa isika no tsy mahatsapa izany matetika eo amin’ny fiainana ka mitady hazavana hafa indray. Ny hoe: “hariva ny andro”, dia midika ihany koa ho fiafaran’ny fiainantsika ety, toy ny volombavan-katsaka menafify, ka azo hotazana amin’izay. Izao anefa, samy manana ny harivany fa mety vao mitsimoka, mety ho vato mandondona, mety ho hazo amoron-tevana, ka aoka tsy hanao hoe mbola ho ela vao hariva fa samy hitandrina isika rehetra; mazava ny hoe tsy hisy hijanona eto fa samy tsy maintsy hiampita eny an-dafin-drano, any amin’ilay honenana rahatrizay. Toky ho antsika i Jesoa miara-dalana, miampita miaraka amintsika, fa raha tsy izany, ho feno tahotra isika satria mitady ho rendrika na fefika ny sambokelim-piainantsika, ka hiafara amin’ny fahafatesana; tahaka ny nahazo ireto mpianatra ireto. Tsarovy mandrakariva fa rehefa miaraka amin’Andriamanitra isika dia tsy ho rendrika velively, satria tsy hamela antsika ho irery izany Izy fa zanany tiany sy lalainy isika.

Ny sambo kely koa eto maneho ny Eglizin’i Kristy andehanantsika, ka izay tsy miditra amin’ny sambo araka izany, mety ho rendrika any ivelany. Ny sambokeliny mantsy, kely fa mahazaka be, toa kely am-pitenenana fa mahafaoka antsika rehetra, tsy manavaka fa azo antoka. Tsarovy fa ny tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano tsy maintsy misy foana, fa toy ny sedra tsy maintsy lalovana izy ireny. I Kristy banjinina dia tsy ho rendrika isika. Izao koa, toa ohatran’ny matory i Jesoa, kanefa tena miara-mizaka ny fijaliantsika. Koa tsy matory na rendrika izany Izy, fa mitsapa ny fitokisantsika Azy, mamantatra ny halehiben’ny finoantsika. Eo anatrehan’izany, diniho anie ny fitiavan-tenantsika asehon’ireto mpianatra e: “Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty IZAHAY” fa tsy hoe: “Mifohaza fa maty eto ISIKA”, na anatin’ny sarotra aza dia tsy mahita afa-tsy ny tena ihany, fa zatra manao salobon-komana mantsy! Izay andaniny fa ankilany kosa nanaiky ho fohazina Izy, izany hoe mamaly ny fangatahantsika, tsy nijery fotsiny. Aoka ho tsapantsika izany. Nasehony eto ny maha Andriamanitra Azy ka nampitony ny rivotra sy ny ranomasina hoe: “Mangina, mitonia”, dia nitony izany. Mahay mandidy ny zavatra rehetra Izy? Manaiky Azy ireny.

Fa diniho kely anie ity teniny ity e: “Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”, hatramin’izao isika no saro-tahotra rehefa mandalo sedra ny fiainantsika, satria tsy ampy na kely finoana angamba. Mila miaina sy mandalina bebe kokoa ny finoana isika. Ny mpianany aza moa niaraka taminy teny foana, mbola kely finoana tsy mainka va isika aty aoriana, tsy mahagaga raha toraka izany. Mety mahatonga izany koa anefa ny rivotra iainantsika amin’izao, izay tena anjakan’ny ratsy sy ny fandrosoan’ny teknolojia maro lafy, mampanalavitra an’Andriamanitra sy mampiolonolona ary tsy iraharahiana ny manjo ka mampaharary na mampijaly ny hafa, revo sy difotry ny fitiavan-tena diso tafahoatra mantsy. Tohero izany!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...