Zoma 27 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Mikasika ny fanjakan’ny lanitra kosa indray ny fanoharana atoron’i Jesoa amintsika eto: toy ny voa famafy amin’ny tany, dia vary izany, izay mitsimoka sy mitombo miandalana ary tonga akotry vaovao sy betsaka. Miova eny an-dalany eny, arakaraka ny fitombony ny anarany: voa aloha vao ketsa avy eo, lasa misy salohiny, tonga ventiny rehefa, miafara amin’ny akotry amin’ny fotoam-pijinjana, mba ho angonina any an-tsompitra rehefa maina sy voakororoka. Nisy voa nafafy tamintsika tamin’ny batemintsika ka efa nitombo sa nandamoka. Voa voafantina no nomena antsika fa tsy sanatria voa ratsy, fa isika matetika no nahatonga azy handamoka, tsy mamokatra. Ka manontany tena isika ankehitriny hoe: nataoko ahoana ny voa nafafy tamiko izany? Sao tsy nety niova mihitsy isika fa nijanona ho tamin’ny voalohany ihany, na mba niroso ihany fa tsy lasa lavitra na teny antenantenany dia maty momoka? Ny tena izy dia tsy hanaiky raha tsy tonga ho vary angonina ao an-tsompitra, dia any an-danitra izany fa tsy sanatria ho akofa paohan’ny rivotra ka ho dorana. Fanirian’Andriamanitra ny tsy hisy akofa na ahi-dratsy ny variny na kely aza: indrisy anefa ny fahavalony dia ny Demony no mahatonga ireny, sady isika koa manaiky hiasany ka loza raha tsy mitandrina sy tsy malaky miala amin’izany.

Fanoharana hafa koa no anohizan’i Jesoa mikasika ny fanjakan’Andriamanitra dia ny voatsinapy izany, izay voa madinika indrindra ka rehefa nitombo sy norantsanana dia tonga hazo lehibe aty aoriana ka manjary azo ihalokalofana, manasoa ny hafa ihany koa izany. Izany hoe ilay voa toa zinona iny manjary lehibe sy tonga inona tokoa ka azon’ny hafa ianteherana. Raha tsilalaon-teny dia hoe: ny “voa” rehefa mi-“ova” hanjary tonga “avo”, no fanirian’Andriamanitra. Koa aza mijanona mirefarefa amin’ny tany fotsiny fa mahaiza mananika ny avo ka manakatra ny lanitra, izay faratampony eo amin’ny fiainana.

Sao lahy ny voam-pinoana azontsika tamin’ny Batemy tsy nitombo fa vao mainka aza nihena ka ho loza no hiafarany? Tsy azon’ny hafa ianteherana akory satria mikombona amin’ny tenany ihany izy ka manjary ho fanetriben’ny tany ka mila fongorina. Aoka ho hay ny mampitombo azy tsikelikely. Mazava aloha fa tsy hoe vao afafy dia ho lasa hazo lehibe avy hatrany, fa mandeha tsikelikely rehefa mivadibadika eo ny andro sy ny volana ary ny taona sady ataoko fa tany mamokatra avokoa isika fa tsy tany ngazana, ary tsy mitsahatra manome orana sy hafanana ary rivotra ilaina hitomboany Izy Andriamanitra mpamafy azy, amin’ny alalan’ny Egliziny ka azo antoka ny fitomboany. Soa fa nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany ny hevitry ny fanoharana ka mbola ifandovana ato amin’ny Eglizy izany mandraka ankehitriny, amin’ny alalan’ny fampianarany, ka mazotoa àry mandray sy mandalina ary miaina izany!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...