Alakamisy 26 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 21-25)

Fanohara ihany eto no entin’i Jesoa mampianatra antsika, mikasika izay tokony hiainantsika ny maha kristianina antsika: fanoharana momba ny jiro sy famarana izany.

Voalohany àry: Atao aiza ny jiro? Tsara misy fitoerany fa tsy apetraka etsy sy eroa. Fa tonga fahazavana ihany koa isika noho ny Batemy noraisintsika, ka aiza izany isika no tokony hipetraka? Misy amintsika tsy mahay mipetraka amin’ny toerana tokony hisy azy: raha jiro tsara raha amin’ny fitoerany ary atao ambony fa tsy atao ambany satria araka ny maha avo azy no mampazava azy, fa entina hanazava mantsy ny jiro. Diniho anie: raha manambady ohatra dia mipetraka anatin’ny fanambadiana fa tsy manketsy na mankeroa, manoko atsy, manoko aroa. Ny akanjo sy ny nify no misy sosony, ny bodofotsy no misy lafiny roa: ambadika sy ambadika, ny mpanao politika no mivadika palitao fa ny mariazy kristianina toy ny voromahailala, ka tsy mampirafy izany, fa tokana ihany. Eo ihany koa ny fikambanana sy ny firohotana na ny Vaomieran’asa: misy tsy manaiky mihitsy raha tsy idirana avokoa izay rehetra misy sy somary mandeha, kanefa tsy araka avy eo. Toy izany koa ho an’ny zatovo, ny mpitondra, ny vahoaka, ny mpiandry ondry, ny andian’ondry andrasana, ny mpiandraikitra sy ireo iandraiketana, ny tompon-trano sy ny mpanofa, ny mpamiasa sy ny mpiasa ary ny maro hafa… raha samy mipetraka amin’ny toerany isika, ataoko fa hilamina ity tany ity. Aza miady seza, aza be fialonana fa manakorontana ny rafitra misy izany. Trano be iombonana mantsy izy ity ka samy mandray anjara amin’ny famolavolana azy. Eritrereto kely anie, raha tsy haka afa-tsy ny loha isika e: raha mifamadika fotsiny ny maso sy ny sofina dia hanao ahaoana re isika? Na mijery azy aza mampatahotra, mova tsy toy izany ve isika? Fa raha maso aoka ho amin’ny fijery, raha sofina aoka ho amin’ny fandrenesana, raha orona aoka hanimbolo… fa tsy ifampitsabaka na ifampisalovana andraikitra. Aoka tsy ampifamadihana ny rasa, ka ny jiro atao ambany farafara hany ka may avy eo. Misy amintsika mantsy tsy mety mihitsy raha tsy hita atsy sy aroa satria te hisongadina. Mazava ny tenin’i Jesoa eto hoe: “Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.” Efa mirindra sy milamina ny nanaovan’Andriamanitra ireo rantsam-batana eo amin’ny vatantsika, ka tokony hanahaka izany koa isika: mahay mipetraka amin’ny fitoerany fa tsy manangy na mananika ny hafa any ivelany. “Ny an-tratra tsy lavo ka antsoy koa Rainilahy be” Amin’izay toerana sy sehatra misy antsika miezaka manazava fa aza manakatra ny any an-kafa na diso toerana.

Faharoa manaraka izany, i Jesoa manohy hoe: “Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo”. Misy famarana entintsika vita Batemy dia ny famarana fitiavana izany, izay hiainantsika azy. Ambonin’izany ny indrafo. Koa raha kely famatra fitiavana izany isika dia ho kely ny fitiavana azo fa raha be famatra kosa no ho be fitiavana. Sy ny hoe: arakaraka ny hamindrantsika fo ny manodidina antsika no hamindran’Andriamanitra fo antsika ihany koa, ka aza mitaredretra mamindra fo. Ny amin’ny ratsy no tokony ho kely famatra re! Sady tsy tokony hatao akory aza! Koa mahaiza mamatra!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...