Talata 24 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Rehefa atao vaindohan-draharaha ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia tsy hisy hahasakana izany na iza na iza, ka tsy hampaninona akory izay tonga eo. Azo lazaina koa fa tsy ahalalan-kavana io asa fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra io, ka aoka isika tsy ho voafatopatotra na amin’ny fianakaviana na ny havana na na sakaiza na ny fiaviana na ny firazanana, tsy izy ireny no hibaiko na handidy, fa vaindohan-draharaha ny asa fitoriana vao ny hafa, eny na ny havana akaiky aza. Indraindray mantsy mety ho sakana izy ireny raha tsy mitandrina. Manome ohatra eto i Jesoa. Tsy hoe tsy raharahina fa tsy voatery ho avara-patana foana akory amin’izay atao. Aoka hahay handanjalanja isika amin’ny asa izay atao, ka hanisy laharam-pahamehana amin’izany. Modely ho antsika amin’izany ny nataon’i Jesoa eto. Marihina fa tsy ho an’izay mpitory ihany izany fa sahaza ho antsika rantsam-batany rehetra, ka ho loha lalana amin’izay atao rehetra i Jesoa sy ny mahakasika Azy rehetra. Aoka ho fanampiny na manaraka izany avokoa ny hafa sy ny manodidina rehetra.

Ankoatra izany, tsapa eto fa “olona maro nipetraka nanodidina” an’i Jesoa: maneho ny fihetsika tsara ataontsika kristianina izany, dia izay ilay atao hoe: “miangona” ka aoka Izy Jesoa no hanangona antsika matetika fa tsy zavatra hafa, indrindra amin’ny andro alahady. Misy mantsy mandany andro iray manontolo hanaovana karatra na fialam-boly hafa, fa tsy mahafoy ora iray na roa handehanana mankany amin’ny Eglizy!

Ary mazava koa eto hoe: manangona olona i Jesoa, fa tsy manangon-karena, ka sao diso hevitra manaraka Azy ka ny harena no mahamaika hangonina fa tsy ny olona. Aza avilivily ho an’ny tombotsoan’ny tena ny fampianarany; fa tsara sy mety ho an’ny olona kosa ny mipetraka manodidina Azy. Koa mahaiza mipetraka fa aza milingilingy na mitsingilahila na mitsingalam-boangidina. Aza manao resaka an-jorony. Maha mora ny fandraisana ny fampianarany ny mipetraka manodidina Azy. Mazava eto fa izay mipetraka manodidina Azy, no manao ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy ny hafa. Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra, tonga fianakaviana akaiky Azy Jesoa: aiza indray no mihoatra izany? Inona no sitrapon’Andriamanitra: mipetraka sy mihaino Azy ka manatanteraka izay lazainy. Izany hoe: miaina Azy fitiavana marina. Fa nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe: “Ireo no reniko sy rahalahiko; fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko”. Koa tandremo sao tsy tazany mipetraka manodidina Azy eo fa lasa any an-kafa, ka tsy ho tonga fianakaviany akiky eo. Alao hery àry!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...