Talata 3 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34

“Ary nahita ka nilaza ny marina fa izy no zanak’Andriamanitra”.

Izany no iraka nampanaovina an’i Joany, hanambara ny fahatongavan’i Jesoa, hanambara fa i Jesoa no hanafaka antsika ao antin’ny gejan’ny fahotana, hoy i Joany rehefa nahita an’i Jesoa :

“Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, indro ilay manala ny fahotan’ny olona”.

Zanak’ondry tsy manan-tsiny fa nanaiky hovonoina, toa izay hanao herisetra (Izaia 53, 7), zanak’ondrin’ny Paka, manafaka ny olona amin’ny fanandevozan’ny fahotana (1 Kor 5, 7 ; 1 Piera 1, 19). Izy no manesotra ny fahotana, sakana tokana dia ny tsy fahafahan’ny olona miditra amin’ny hasambarana atolotr’Andriamanitra azy.

Tokony hazava amintsika àry, fa Andriamanitra dia manavotra antsika ao anatin’ny tsy fahamendrehantsika, nefa izy dia manome fahasoavana hahamendrika izay mitoky Aminy. Tsara hotadidiana ny Katesizin’i Masindahy Jean Marie Vianney hoe :

“Rehefa handeha handray komonio ianao, dia mahatsiaro fa tsy mendrika, ary tena tsy mendrika tokoa ; saingy manatòna am-pinoana satria miandry anao ny Tompo, maniry ny ho raisinao izy, tsy hoe sanatria noho ianao mendrika, fa satria mila azy ianao”.

Tsy mahavita na inona na inona raha tsy miaraka amin’i Kristy, ary ny fahasoavana avy Aminy no hahamendrika antsika. Ka i Joany dia mandrisika antsika hoe indro i Kristy araho izy. Izay vonona hanatona azy ihany no maniry ilay famonjena avy Aminy, satria maniry ny fianam-baovao, maniry ny fahafahana marina, vonona ny hibebaka hanatona ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao. I Kristy no manao batemy antsika amin’ny Fanahy Masina, ilay Fanahy nomeny antsika teo ambony hazofijaliana (Jo 19, 30), ilay Fanahy nomeny ny Apostoly ny marainan’ny Paka mba hamelan’izy ireo ny fahotana.

Angatahontsika àry Andriamanitra, mba hampitombo ny faniriantsika ny hahalala ilay Zanany tonga hamonjy antsika sy hanome ny fahasoavany ihany koa, hahalalantsika misimisy kokoa ny tena toetrantsika, mba hahafahantsika hiady amin’ny fahotana ka haniry ny famonjena avy amin’Andriamanitra mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...