Alarobia 28 desambra 2022 — Ireo zaza tsy manan-tsiny, Martiry — Fety — Midera Anao izahay, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny tafika manehoehon'ny martiry dia midera Anao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-18

Mahatsiaro manokana ireo zaza tsy manan-tsiny isika anio. Niteraka ahiahy teo amin’i Herôda Mpanjaka sy i Jerosalema manontolo ny fahateran’Ilay Mpamonjy. Fitiavam-boninahitra sy fahefana tsy refesi-mandidy no tao an-tsain’i Herôda. Ka nanahirana azy fatratra ny naheno fa hoe misy zaza vao teraka, ary izay indray, voalaza fa mpanjaka io zaza io ary ho mpanjakan’Israely. Ary dia teo no nitsirian’ny fanirian-dratsiny hifofo ny ain’i Jesoa Zazakely, ary vao mainka nanamafy ny fony ny tsy niverenan’ny majy tany aminy intsony.

Tetsy an-daniny, dia nanainga an’i Josefa tamin’ny nofy ny anjelin’Andriamanitra mba hitondra ny zazakely sy i Maria reniny handositra any Ejipta, mba tsy ho azon-doza. Fa i Herôda kosa dia niha-romotra, ka nampamono ny zazakely hatramin’ny roa taona noho midina. Ry havana, sahiran-tsaina ihany isika mieritreritra ny fankalazana ny ampitson’ny Noely, ny naha-martiry an’i Etiena, sy androany ny an’ireo zaza tsy manan-tsiny. Ilay Teny nahariana izao rehetra izao, i Jesoa ilay tonga nofo, dia indro fa efa manomboka sahady ny misterin’ny fijaliany, izay nihatra tao amin’ireo zaza tsy manan-tsiny, novonoin’i Herôda.

Tena martiry tokoa ireo zaza ireo satria nisolo ra an’i Jesoa Zazakely izay nokendrena hovonoina. Hoy ny vavaka fangatahana amin’ny litorjia anio hoe :

Ireo zaza tsy manan-tsiny natao martiry tsaroanay anio
dia naneho fankalazana Anao (Andriamanitra),
tsy tamin’ny teny nataony fa tamin’ny nahafatesany.
Fa na dia tsy mbola nahay niteny aza ireo zaza ireo,
dia efa nataon’i Jesoa Kristy ho afaka hanambara azy
tamin’ny fijoroany ho vavolombelony ka nahafoizany ny ainy.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...