Sabotsy 24 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 67-79
Ry havako, miankina amin’ny fiomanana ny halalin’ny hafaliana. I Joany Batista no tonga hanomana ny fiavian’ i Mesia, izy no ilay Elia ho avy, hanambara amin’ny olona ny tena famonjena, dia ny famelana ny hadisoana sy ny heloka natao, ka tsy isika no hanamboatra trano honenan’Andriamanitra, fa Izy Andriamanitra ihany no efa hanomana lanitra hivondronantsika mba hidera ny voninahiny.
Ny tononkira nodidian’ny Fiangonana ho fanombohana ny andro amin’ny vavaka maraina, dia manampy antsika hiaina ny tena maha zanaka, araka ny fandaharan’Andriamanitra ka ahafahantsika miara–dia makany amin’ny lalam-piadanana, any amin’ilay Mpamonjy antsika. Masoandrao miposaka avy any ambony izy ka tsy milentika mandrakizay.
Faingana ry Jesoa Tompo, aza tara ny fahatongavanao. Hitondra fiononana sy fanantenana ho an’izay matoky ny fitiavanao be indrafo.
Avia ry fanahy Mpahary, vangio ny fanahin’ny olonao, fenoy ny fahasoavanao Masina ny fonay izay noforoninao.
Ianao no mpizara ny fanomezana fito, rantsantanan’Andriamanitra mahery, ianao no nampanantenain’ny Ray, mpitari-dalana ny molotray hanambara ny tena marina.
Tsilovy amin’ny fahazavanao ny sainay, areheto amin’ny fitiavanao ny fonay, tohano amin’ny herinao ny vatanay fa osa sy malemy izahay.
Atoseho lavitra anay ny fahavalo, omeo faingana re ny fiadanana ary tariho làlana koa izahay tsy ho voan’ny loza mananontanona anay.
Ampianaro ahalala ny Ray izahay, atoroy hahafantatra anao Zanaka, ary ataovy mino mandrakariva fa Andriamanitra avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ianao. Amen.