Alarobia 21 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-45

I Masina Maria mitory ny Evanjely, ny hoe mitory ny Evanjely mantsy dia mitondra an’i Jesoa ho eo amin’ny olona na ny fiaraha-monina iray, mapahafantatra fa misy i Jesoa. Ao amin’ny Evanjelin’i Lioka no nitorian’i Masina Maria ny Evanjely.

  • Ny filazana tamin’i Masina Maria ka nanekeny izany ;
  • Ny namangiany an’i Masimbavy Elizabeta rahavaviny, izao novakiana tamintsika izao, ary ;
  • Ny tononkira nataony.

Ny fitoriana dia manaiky an’i Jesoa ho Mpamonjy (Lk 1, 38). I Masina Maria dia nanaiky (eny)… ny fanekena ny hitondra an’i Jesoa dia efa fitoriana ny Evanjely sahady… aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao… Aoka hitoetra ato amiko i Jesoa, araka ny teninao.

Ny fampielezana sy ny fampahafantarana an’i Jesoa (Lk 1, 39-45) eny, namangy an’i Elizabeta ilay Renin’Andriamanitra, hafaliana ary tena hafaliana no tonga tao amin’io trano io.

Na aiza na aiza misy antsika dia tokony hitondra an’i Jesoa ao amintsika hatrany isika, toa an’i Masina Maria teto… Raha vao nanonona ny fiarahabana i Maria dia nientan-kafaliana i Masimbavy Elizabeta. Marihana fa ny jody dia manana fiarahabana tahaka izany rehefa mihaona : “Shalom”, izay midika hoe fiadanana ho anao.

Isika rehetra kristianina dia tokony hitondra an’i Jesoa hatrany. Diniho anie, matetika fa misy olona raha vao mandalo izy dia miova mihitsy ny resaka,raha toa ka misy zavatra ratsy resahina eo : iny anie ranona e, aoka izay. Dia tahaka izany rehefa mitondra an’i Jesoa isika dia tokony hitondra fiadanana, hafaliana, fitiavana amin’ny manodidina antsika.

Te haneho amintsika i Masindahy Lioka fa i Masina Maria dia reny mendrika tahafina, mendrika alaina tahaka izy, mitory ny Evanjely amin’ny fony manontolo. Isika koa dia tokony ho toa an’i Masina Maria, manaiky mampiely ary midera an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...