Talata 20 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

Ato amin’ity Evanjely ity no mirakitra ny misterin’ny fahatongana ho nofo, fototry ny finoantsika, ny maha olombelona an’i Jesoa ilay zanak’Andriamanitra tena Andriamanitra ; fandalinana mikasika izany maha Andriamanitra sy maha olombelona an’i Jesoa izany no himasoan’ny Fiangonana hatrany am-piandohana. Ny drafitra narahan’i Masindahy Lioka amin’ny fanoratana ny Evanjely dia manampy antsika hahazo izany mistery izany, ka hampihatra azy amin’ny fiainana andavanandro. Nofidian’Andriamanitra manokana i Masina Maria, ny antony hoy i Masindahy Lioka dia satria nahita ny fanambaniana nahazo ny ankizivaviny, nahita ny fahorian’ny vahoakany. Tombom-pitaivana izany, saingy tsy ho an’i Masina Maria ihany, fa ho antsika rehetra, ho an’ny olombelona tsirairay. Fa tahaka ny fitiavana rehetra, tsy manery fa miangavy. Ny “eny” nataon’i Maria no mirakitra ny halebiazany, ka izay te ho zanany, izay te ho sambatra miaraka aminy dia ho lany andro hitanisa ny “Arahaba ry Maria”. Mitombo miaraka amin’ny isan’izay voatanisa ny faniriana hanao eny amin’ny fitiavana iantsoan’Andriamanitra antsika mba hahatongavan’i Kristy ho nofo.

Arahaba ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao. Arahaba moa no nandikana azy, fa fiarahabana manokana kosa no dikany ; mifalia ianao ilay nohosohavina. Antsoin’ny anjely hifaly i Maria ; tsy hoe fiainana milamina, tsy hoe harena sy voninahitra no nananan’i Masina Maria, fa fiainana tsizarizary. Ahoana no ahafahana mifaly ? Ahoana no ahitana ny fahasoavana’Andriamanitra ao anatin’ny fahoriana ? Ho an’i Masina Maria manokana dia tsy maintsy hiatrika fiainana izy ; iza no hino fa zanak’Andriamanitra ny zaza ao an-kibony ?

Raha avy aminy no nahazoantsika ny Mpamonjy, fahasoavana inona no tsy homen’Andriamanitra antsika amin’ny alalany ? I Masindahy Lioka no milaza fa i Masina Maria no ilay mpanompovavy sitrak’Andriamanitra, tsy ambakan’ireo mpanompovavy hafa voatanisa ao amin’ny Baiboly. I Masina Maria miandry ny fahatanterahan’ny lahatr’ilay Andriamanitra “Aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao”. Hanahaka an’i Masina Maria anie isika, hanetry tena, hiraiki-po amin’izay sitrak’Andriamanitra. Hanao sapile matetika hanampy antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...