Talata 29 nôvambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 21-24

Ry kristianina havana ! Nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina i Jesoa, hoy i Masindahy Lioka mitantara. Nientan-kafaliana Izy ka nanandra-peo nivavaka sy nisaotra ny Ray teo anatrehan’ny Mpianany, izay tonga avy nanao iraka ka niverina teo aminy nanao tatitra. Hafatra voalohany indrindra ho antsika sintonina ato amin’ity Evanjely ity io ezaka ataontsika manao tatitra mandrakariva amin’ny lehibe io, rehefa avy manao iraka iray na nanao ahoana na nanao ahoana vokatry ny iraka nataonao. Eto dia faly i Jesoa ary hafaliana mahasambatra ny fanahiny izany noho ny Fanahy Masina. Aza misaraka mandrakariva amin’ny Fanahy Masina isika fa ankoatra ny fanampiany antsika dia loharanon’ny hafaliana sy ny fiadanana koa ny Fanahy Masina. Izy Jesoa ihany no efa nampanantena ireo mpianany io Fanahy Masina io ary manome antsika Azy isan’andro, isika izay hirahiny noho ny batemy noraisintsika ka tsy mandeha irery isika fa eo Izy mankahery antsika. Antsoy matetika ny Fanahy Masina fa aza avela hipetrapetraka amin’ireo iraka maro miandry antsika maneho ny maha kristianina antsika noho ny batemy noraisintsika.

Vavaka fisaorana no nipololotra avy ao am-pon’i Jesoa. Aza adino fa Jody i Jesoa, ary firafitra vavaka fanaon’ny Jody io vavaka fisaorana arahina tso-drano ataony io rehefa mivavaka, indrindra rehefa maneho hafaliana. Hoy ny Salamo amintsika hoe, vavaka fisaorana mandrakariva no eo am-bavan’ny mpino. Izany no votoatin’ny vavaka ataontsika isan’andro : misaora amin’ny zavatra rehetra, fa ny fonao mahay mankasitraka an’Andriamanitra no hanomezany fahasoavana tsy tapaka anao koa. Tsapanao ve izany fahasoavana izany ? Fa inona moa no nahatonga io vavaka io nipololotra avy ao am-pon’i Jesoa ?

Fatra-pitady an’Andriamanitra isika olombelona, ary miezaka isan’andro mamantatra ny misteriny. Ilaina tokoa ny fahaizana amam-pahalalana hananantsika ankoatra ireo fanomezam-pahasoavana maro, ho an’ireo izay nomeny manokana izany, fa tandremo fa sao dia izay ilay lazain’i Jesoa hoe hendry sy be saina. Efa ampianariny antsika ombieny ombieny ny toe-po tokony hananantsika mitady azy, dia ny toe-po tsotra, manetry tena ary malemy fanahy mandrakariva. Inona no tokony apinga entintsika manatanteraka ny iraka dia ny fitiavana. Izay ilay tsiambaratelo nasehon’ny Fanahy Masina tamin’ny madinika, izay tsy iza fa ireo irak’i Kristy. Ny Eglizy dia madinika ka tanarahany fahasoavana mandrakariva mba hampahomby ny fitoriana ataony. Hitoetra mandrakariva ao anatintsika anie ny Fanahy Fahendrena sy Fahalalana ary Fahatahorana an’Andriamanitra, hanampy antsika hahalala ny tsiambaratelon’ny Trinite Masina.

Jesoa Tompo ô ! Omeo anay mandrakariva ireo fanomezan’ny Fanahy Masina hahafahanay maka tahaka anao, indrindra amin’ny vavaka ataonay. Ampio izahay hahay hisaotra sy hankasitraka mandrakariva ny Ray, toy ny nataonao mba hitondrany fiadanam-po sy hafaliana ho anay isan’andro. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...