Alahady 27 nôvambra 2022 — Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! Ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 37-44

Ry kristianina havana ! Manomboka taona litorjika vaovao isika dia ny taona A izany, handinihantsika manokana ny Evanjelin’i Masindahy Matio mandritra ity taona ity. Taom-baovaon’ny Eglizy androany koa miarahaba anao nahatratra ity taona ity ary mirary soa anao mamakivaky izao taona A izao. Ny taona litorjika iray moa dia hibanjinantsika ny misterin’ny fahatongavana ho nofo, ny pakan’i Jesoa na ny misterin’ny fitsanganan-ko velona ary ny misterin’ny Eglizy izay sakramenta araka ny katesizy nomena antsika tamin’iny herinandro iny. Izany hoe, raha fintinina ireo dia ny misterin’ny Trinite Masina no banjinintsika ao anatin’ny taona litorjika iray. Manombola azy àry isika amin’izao fiaviana izao.

Miambena ary mivonona mandrakariva hoy ny ventin-kevitry ny Evanjely nohenointsika teo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizina ny Tompo. Ilay ambaran’ny Eglizy amintsika ombieny ombieny hoe “farandro” izay fiambenana izay. Toy ny tamin’iny famaraparanana ny taona litorjika iny dia mamerimberina ary mampahatsiahy antsika izany ny antson’ny Eglizy amintsika mba tsy ho varimbariana amin’ity fiainana mandalo eto amin’izao tontolo izao ity. Misy manko ireo tsy mino ny fitsanganan-ko velona, dia misy koa ireo tsy mino fa misy ny farandro. Ho antsika kristianina kosa, dia aoka mba halatsaka ao an-tsaintsika mandrakariva fa misy ny farandro, hisy ny fitsarana ka hisy ny voavonjy ary mety misy koa ireo any amin’ny fahaverezana na ilay afobe raha tsorina. I Masindahy Marka moa ao amin’ny toko faha-13 dia mitantara ny momba izay farandro izay. Farandro izay midika fahataperan’ny fiainana eto an-tany na ny fahafatesana, ny fitsarana farany, ny lanitra na ny paradisa, ny fahaverezana mandrakizay na ny afobe, ny fitsanganan-ko velona, ny fiainana mandrakizay : ireo rehetra ireo dia manodidina io farandro io avokoa. Tsy natao hampatahotra akory izany fa natao kosa hampiezaka antsika, ary izany no mahatonga ny Eglizy vao manomboka toy izao ny taona litorjika dia efa mampahatsiahy antsika an’izany.

Manambara mazava ny Evanjely teo fa mihinana, misotro, miteraka... ny olona mandram-pahatonga izany andro izany, toy ny tamin’ny andron’i Noe : midika izany fa raha tsy mailo isika dia ho variana amin’ity fiainana ity eto nefa ny Tompo tonga. Inona àry ilay fahavononana sy fiambenana iantsoan’i Kristy antsika mba ho ao amintsika mandrakariva ? Ny fiainantsika ny fitiavana ao anatin’ireo rehetra takiana amintsika amin’ny maha kristianina antsika no anisan’izany fiambenana izany. Raiso ny fahasoavan’Andriamanitra atobany amintsika isan’andro dia hivelomy am-pinoana noho ny teniny sy ny Tenany raisintsika isan’andro dia hivelomy dia tsy ho tapohan’izany fotoana lehibe izany ianao.

Jesoa Tompo ô ! Ampio izahay tsy hanjehy ny andro ho lava fa hanomana mandrakariva ny fiverenanao. Fahatsiarovana ihany ny fiaviana lalovanay isan-taona fa ny fahavononanay tsirairay avy no zava-dehibe, koa tohano ny ezaka ataonay hibanjina mandrakariva ny farany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...