Sabotsy 26 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 34-36

Eto am-amaranana ny taona litorjika ny Eglizy àry, dia miantso antsika i Jesoa mba hiambina sy hanana faharetana amin’ny fivavahana izay atao. Ireo no tsy maintsy tafiana hiadiana amin’ny ratsy sy ny fakam-panahy. Ny vavaka mantsy dia tsy isika irery na ny herin’ny tenantsika no miady amin’ny fahotana fa miaraka amin'izy Andriamanitra mihitsy. Betsaka tokoa ireo fandrika sy ny zava-mahafinaritra eo amin’ny fiainantsika. Anisan’ny voalazan’ny Evanjely eto ny fihinanana be loatra sy ny fimamoana ary ny fiahina eo amin’izao fiainana izao. Raha tsy mifikitra amin’Andriamanitra isika dia hahavery antsika izany. Koa mila halavirina àry, izay rehetra manelingelina sy izay mangeja antsika mba hahazoana ny famonjena. Aoka àry, tsy ho sodoka amin’ny zava-mandalo eto an-tany fa hivavaka mandrakariva amin'izy Andriamanitra mba ho ny sitrapony no ho tanteraka fa tsy ny antsika.

Isika kristianina izay azo lazaina fa mpanompon’Andriamanitra dia miandry mandrakariva amin’ny alalan’ny vavaka ny Tompontsika, dia i Jesoa Kristy izany. Mahareta àry, mivavaka mba tsy ho azon’ny fakam-panahy.

Tompo ô, ampio izahay mba haharitra hivavaka mandra-piavinao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...