Alakamisy 24 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 20-28

Manambara fikorontanana sy fahoriana i Jesoa eto amin’ny Evanjely. Mbola iainantsika anefa izany amin’izao vanim-potoana izao : ny mosary, ny ady, ny aretina... Hoy i Kristy mantsy hoe : “raha vao miantomboka izany zavatra izany dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo”. Manoloana izany tranga rehetra izany àry, dia miantso antsika i Jesoa mba tsy ho taitra fa ho tony hatrany sy hanamafy ny finoantsika an’Andriamanitra hatrany. Aoka àry isika, mba tsy hovoafitaka fa maro no manararaotra ireny tranga ireny mba hilazana fa manasazy Andriamanitra na hoe efa akaiky ny farany. I Jesoa efa nanambara, fa Andriamanitra Ray irery ihany no mahalala izay andro hiaviny amim-boninahitra.

Mila mitodika amin’Andriamanitra mandrakariva àry isika, na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Asandrato hatrany ny vavaka ho mariky ny fahatokisantsika Azy. Reseo amin’ny fitiavana Azy ny zava-manahirana sy ny fijaliana ary ny fahoriana mianjady antsika. Izay firaiketantsika am-po amin'i Kristy izay àry, no hahazoantsika famonjena. Noho izany, aoka isika tsy mba ho kivy fa ankaherezen’ny finoana ao amintsika. Izy irery no hahazoantsika fiadanana sy fanavotana.

Tompo ô, aza avela hisaraka Aminao izahay, fa hifikitra mafy Aminao hatrany eo anatrehan’ny tahotra sy ny ahiahy ary ny tebiteby.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...