Alatsinainy 21 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4

Nandritra ny fandatsahan-drakitra dia tsy nisalasala i Jesoa niteny fa ilay mpitondratena mahantra no nandatsaka betsaka indrindra, satria izay nananany tany aminy no narotsany. Fa ireo mpanankarena kosa dia izay ambiny tany aminy no natolony.

Ity vehivavy mpitondratena mahantra, izay ny fiainany manontolo mihitsy no natolony, izay no sitrak’Andriamanitra na dia farantsa kely roa aza. Tsy misy dikany eo imason’olombelona ireo fa ankasitrahan'i Jesoa ho fanatitra lavorary ho an’Andriamanitra kosa, amin’ny maha fanomezana maimaim-poana tanteraka azy. Fihetsika izay maneho ny fahatokisany tanteraka an’Andriamanitra sy ny fametrahany eo am-pelatanany ny fiainany manontolo. Izany akory tsy midika velively mihitsy hoe izay mandrotsaka betsaka dia tsy sitrak’Andriamanitra ny ataony na koa hoe izay mandatsaka kely no tena izy eo imasony. Ny ankasitrahany anefa dia ny fanolorana ny fiainana manontolo mihitsy tahaka nataon’ity mpitondratena mahantra ity. Asehon'i Jesoa àry, fa miankina amin’ny fahafoizana tanteraka sy ny fanetren-tena no maha lehibe ny fanolorana ho an'izy Andriamanitra. Izany hoe mijery ny toe-po amam-panahy entina manolotra.

Tompo ô, ampio izahay mba hahay hanolotra ny fiainanay manontolo eo Aminao.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...