Zoma 18 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 45-48

Ny hamerina amintsika ny hasina maha izy azy ny zavatra rehetra, noharin’Andriamanitra fa indrindra izay maneho Azy, voalohany amin’izany isika olombelona, no nahatongavan'i Kristy. Mba hanajantsika ny maha izy azy ny zavatra rehetra ary koa hankatoavantsika ilay Andriamanitra Mpahary nahazoantsika azy ireny.

Henontsika teo izay nataon'i Kristy tamin’ireo mpivarotra sy mpividy tao an-tempoly, izay nanova ny hasina maha tempoly ny tempoly, nanao azy ho toy ny toerana ihaonan’ny mpivarotra sy mpividy, ho toy ny tsena, itadiavana tombom-barotra fotsiny ihany. Mety toe-javatra na tanjona mahatonga antsika hivavaka na handeha any am-piangonana ireo voalaza, nandraran'i Kristy ireo. Na koa fiheverana handraisantsika ny tenantsika, izay tempolin’ny Fanahy Masina, natao honenan’Andriamanitra. Tsy mpivarotra na mpividy tokoa mantsy isika mandeha mamonjy Fiangonana, fa mpivavaka, ko aoka izay toe-po hivavaka no anentana antsika sy hoentintsika manatona an’Andriamanitra. Ary tsarovy fa zanany isika ka mila mifampiresaka sy mifanerasera Aminy mandrakariva. Rahefa omentsika ny hasina maha izy azy ny tranon’Andriamanitra dia mankatoa Azy koa isika. Toy izany koa, raha mankatoa an’Andriamanitra, tia Azy dia hanaja ny tenantsika sy ny hafa manodidina antsika.

Ny tena ratsy nananaran'i Kristy mafy tamin’ny Evanjely teo, dia ny fanaovana ny tempoly ho fialokalofana ho an’ny mpanao ratsy, ho zohin’ny mpangalatra, izany hoe: fanafen-keloka sy ny asa ratsy fanao. Marina tokoa fa tranobe tsy mialon-jafy ny Fiangonana fa na dia izany aza tsy fanafenana ny ratsy atao. Koa aoka ny fidirantsika am-piangonana mba hitondra fihavaozana ho amin’ny fiainantsika andavanandro, aoka hanampy antsika hiady amin’ny ratsy. Fa tsy mpivavaka fotsiny isika fa natao hialavorary.

Meteza hahitsy, meteza hatoro ary aza atao raraka an-tany ny fampianarana nataon'i Kristy antsika. Aza maka tahaka ny ataon’ireto lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalana ary ny loholona: "Tenenina amin’ny tsy mety atao vao lasa mpanohatra" fa mpomba an'i Kristy isika ary mpanara-dia Azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...