Alahady 13 nôvambra 2022 — Alahady Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-19

Ity tenin'i Kristy mampahafantatra antsika ny farany ity, tsy hoe hampiraviravy tanana akory fa hamelona ny fanantenantsika hiandradra ilay fiainana tsy manam-pahatamperana ao amin’Andriamanitra, ary hihevitra izay tokony hatao mandrakariva, mba haharetana amin’ny fiainam-pinoana, izay mampizotra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.

Ireo toe-javatra hiseho ambaran'i Kristy amintsika teo ireo, izay famantarana mampitodika antsika hibanjina ny fiafaran’ny fiainana eto an-tany, dia zavatra mety hiseho koa ao anatintsika ao, eo amin’ny manodidina antsika ka ilana fitandremana, ilana faharetana ary ilana fitokisana tanteraka an’Andriamanitra.

Mpisandoka

Ireo mpisandoka tsy vitan’ny maka fanahy fotsiny fa mamily lalana antsika tsy handeha araka izay natoron'i Kristy. Anisan’ireny ireo olona manao ny fivavahana ho fanagonan-karena, ny mampiaina ny olona ao anaty nofinofy, hahazo izao rehetra izao sy ho afaka amin’izay mahahory. Ary misy mihitsy aza sahy manambara fa izy no Mesia. Zava-misy eny anivontsika eny ireny ka ilana fitandremana. Aza manaiky ho voarembirebin’ireny, fa tsy zavatra vao tato ho ato akory ny finoana sy ny fivavahana.

Ny ady sy ny aretina ary ny toe-javatra mamono

Zava-mitranga eo amin’ny fiainatsika olombelona ireny, matetika antony mamarana ny tantaram-piainantsika eto an-tany, izany hoe : mahatonga ny fahafatesana. Fomba fitenintsika koa ny hoe : "Ny manan’aina, mety maty" ary "ny olombelona tsirairay avy dia tsy maintsy ho fatin’ny anton-javatra iray". Tsy hahalala izany mialoha isika raha tsy hoe : zavatra tadiavina angamba. Ireny toe-javatra mamono ireny indrindra no tokony hampitodika antsika amin’Andriamanitra, hiezahantsika ho tsara sy ho mendrika Azy, handova ilay Fanjakany. Ary ny eto an-tany ihany no ananantsika fotoana sy fahafahana, koa aoka tsy ho sodrian-tory.

Fisedrana

Manoloana ny fisedrana na fitsapana izay tsy maintsy hijoroana sy hiaretana. Anisan’izany ireny toe-javatra mihatra aman’aina na izakana ny mangidy ireny; indraindray hanomezana tsiny an’Andriamanitra; na handavana Azy antsikirano fotsiny izao. Tsy mora ny fizorana mankany an-danitra ary tsy mandeha ho azy koa anefa. Hitantsika amin’ny tantaran’ireo olomasina efa sambatra any an-danitra fa niaritra zavatra maro izy ireny, nisedra ny mafy, ary naharitra tamin’ny finoana ka tafita any amin’ny mandrakizay. Aoka hanahaka azy ireny isika. Ary tsarovy fa na dia hifarana aza ny eto an-tany, misy fiainana vaovao mahasambatra sy maharitra mandrakizay miandry antsika any an-danitra.

Jesoa ô, atodikao any amin’ilay fiainam-baovao, iarahanay sambatra tanteraka Aminao ny fo sy ny sainay mba tsy hifikirana amin’ny zava-mandalo eto an-tany izay mbola ho rava. Koa herezo izahay hizotra amin’ny lalana efa voasoritra ary haharitra hanara-dia Anao. Fa Ianao irery no lalana sy fahamarinana ary fiainana ho anay mivahiny ety an-tany. Aza avela hanjehy ny andro ho lava izahay fa ataovy miasa isan’andro hanomana ny mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...