Sabotsy 12 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8

Atoron’i Jesoa amintsika indray eto ny mahakasika ny fomba fivavaka: tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana. Voalohany indrindra: adidy tsy azo ialàna io, tsy azo avela fa tsy hoe safidy fotsiny ka na hanao na tsia tsy maninona fa tsy maintsy atao. Koa asakasak’izay tsy mivavaka. Fanehoana ny fiombonana sy fifandraisana amin’Andriamanitra mantsy ny vavaka ka nahoana no mitady hisaraka aminy? Miaraka aminy aza mbola mety ho sahirana mainka moa raha manalavitra Azy, tsy mivavaka, tsy ho loza? Izy Jesoa Andriamanitra aza moa mivavaka ka izay isika olombelona indray ve no tsy hivavaka, angaha isika ambony noho Izy?

Fanampin’izany, efa mety ny mivavaka fa tsy ampy: atao lalandava aloha; izany hoe: tsy ny hitsingoka toy ny akoho ihany na toy ny molo-bilany ka indray mihodidina ihany fa lalandava. Izany hoe: tsy indray maka fotsiny fa na miverimberina aza tsy maninona. Na koa hoe tsy misy fitsaharana. Koa aza kivy ny mivavaka izany. Fa raha tena zanak’Andriamanitra isika dia ataovy toy ny rivotra iainana ny vavaka, toy ny sakafo mamelona ka raha tsy misy azy tsy mahazo aina na mety ho faty koa aza.

Tsy mijanona hatreo ny tenin’i Jesoa fa mbola misy tohiny: mivavaka lalandava sy am-paharetana. Mila maharitra ny mivavaka. Diniho anie ny fotoana lanintsika amin-javatra hafa mandritra ny ankoban’androntsika e: raha tsy hiteny afa-tsy ny finday, ohatra. Mahavita mandoaka alina mihitsy manao Facebook ny sasany izany, miala voly mijery baolina hatramin’ny adiny firy na alina na atoandro, manao karaoke sy mandany vola mba ho amin’ny fahafinaretan’ny vatana na koa fialam-boly, ao koa ireo zavatra hafa tsy tanisaina eto mahavariana antsika fa ny vavaka ampahany kely ihany. Misy fotoana aza hadino na tavela mihitsy ny vavaka satria vizana niala voly. Mila jerena akaiky izany, mila mandini-tena ny amin’izany, satria lasa mifamadika ny rasa ka ny tena izy indray no lasa ambinambiny, ny manodidina indray no lasa ivony ka ho very amin’izany, lasa mandoza. Omena rariny haingana izay olom-pinidy mitaraina amin’Andriamanitra andro aman’alina sy malaky ho vonjena. Tsara marihina etoana fa tsy natao ho an’izay manokan-tena ihany ity vavaka ity fa sahaza ny rehetra ka tsy tokony hisy hanao azy ho ambanin-javatra izany fa aoka ho vaindohan-draharahan’ny rehetra. Aza atao filan-draha tsy mahita ny vavaka, aza atao fisehosehoana fotsiny. Misy mivavaka alahady fa mangalatra akoho alatsinainy, ny an’ny sasany aza tsy miandry alatsinainy izany! Misy entina hilan-dera sy hieboeboana ny vavaka ka variana manao zavatra hafa any amin’ny birao na toeran-kafa mandritra ny fankalazana ny Eokaristia na ny fivavahana alahady fa rehefa rakitra sy filazam-baovao vao mody miseho ho hitan’ny olona. Ny an’ny hafa indray, ao am-piangonana ihany fa variana mandamina fotsiny fa tsy mivavaka akory: mila alamina aloha ny tenany vao mandamina ny hafa izy. Ao koa ireo mody mivavaka mba hanafenany ny ratsy fanaony. Samy tsy mety avokoa izany rehetra izany. Aoka handini-tena tsara re isika ka hibebaka amin’ny fahazaran-dratsintsika!

Farany, toa mihavery finoana anefa Raolombelona satria atakalony zavatra hafa Andriamanitra nahary azy. Ny hitany maso no mahamaika azy fa tsy raharahany izay tsy hita any. Ny eto an-tany ihany fa tsy mandraharaha ny any an-koatra, ny anio ihany fa tsy ny ampitso izany. Efa fantatr’i Jesoa mialoha izany ka nametrahany fanontaniana hoe: "Rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana etỳ ambonin’ny tany Izy?"

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...