Talata 8 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 7-10

Noharian’Andriamanitra isika olombelona ka nataony mba hitady sy hanompo Azy. Noho izany, Izy irery ihany no tokony ho tompoina fa tsy olona na zavatra na vato aman-kazo. Araka izany, samy mpanompo isika na mpitondra na entina ka aza mihevi-tena ho ambony noho Andriamanitra izany. Entin’i Jesoa mananatra antsika io fiainantsika andavanandro io; eto izao mahakasika ny asa fanompoana. Fa tena asa fanompoana tokoa ny asa ataontsika rehetra ety an-tany na inona na inona izany! Koa aza maika ny hiteroterona hihinana miaraka amin’ny Tompo raha tsy efa vita tsara aloha izay tokony ho nataontsika. Tsy ny hihinana no tokony hahamaika fa ny hiasa aloha. Mety amintsika ny toy ny fisoitr’afo, fa tandroky ny andevovavy ireny, ka sady mahay manavia no mahay manavanana, tsy miavonavona na misafidifidy asa, ny tsy manana aza efa tsy fidiny. Fa tsy sanatria toy ny hanina omena andevo ka tian-kano, tsy tian-kano. Ka aoka tsy hanandevo antsika io asantsika io fa hatao am-pitiavana, ho enti-manompo an’Andriamanitra sy itadiavana Azy; fa tsy sanatria anadinoana Azy velively. Fa vitantsika tsara araka izany ve ? Fa na samy mpanompo aza isika ety, misy amintsika trafo nasondrotry ny nofo, tandroka napoitran’ny loha, koa tandremo ny manao tsindrio fa lavo na manao tany avo avaratra, na manao omby mahia tsy lelafin’ny namany na manao tohatra fiakarana ny hafa fa aoka hifanampy sy hifanohana hatrany satria mitovy ihany eo anatrehan’Andriamanitra: tsy misy avo sy iva, samy zanaka tiany ka tsy tokony hifanaratsy na hifanimba na hifamotika.

Tohizan’i Jesoa ihany ny fampianarany hoe: "Rehefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: "Mpanompo tsy mahasoa izahay", Fa tsy toy ny fanaontsika hoe: "Tsy mahalala anay angaha" na koa hoe: "Raha tsy izahay tsy nahavita an’iny". Aza mihambo ho ambony noho ny hafa, na koa miseho ho milay, aza midera tena toa voatango fa aleo mietry toa laferana mba ho mandina mandrakariva. Mazava ny tenin’i Jesoa eto hoe: "mpanompo" ka aza soloina hafa hoe: tompo na anarana hafa koa, eny na mampiasa olona aza.

Mbola notohizin’i Jesoa hoe: "Fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay." Misy mantsy ny tokony ho nataony aza tsy vitany akory na vitany ihany fa ataony ala asa fay na zara raha vita. Tsy mety anefa izany fa manohy sy mandavorary ny asa nataon’Andriamanitra isika amin’izay asantsika ety. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia asan’Andriamanitra ihany koa izany asantsika izany ka tsy tokony hatao kitoatoa na tsirambina. Ka aoka isika hifanentana mandrakariva. Eto am-pamaranana àry no ilazana tamin’izay vita teo hoe: "Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho noteneninay ihany no hany teneninay."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...