Alahady 6 nôvambra 2022 — Alahady Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-38

Miditra amin’ny herinandro tsotra faha-32 tsotra mandavan-taona D isika izao. Azo lazaina fa efa mamaramparana ny taona litorjika. Aroso antsika amin’izany ny lohahevitra hoe : "Hitsangan-ko velona ny maty". Mahagaga ihany ireto Sadoseanina ireto fa amin’ity sombina Evanjely ity izao dia zavatra laviny nefa angatahany fanazavana mba ho entiny hamandrihana an’i Jesoa. Mpijoko voajoko anefa izy ireo amin’izany ka niala maina ; kanefa kosa nentin’i Jesoa nampianatra momba an’Andriamanitra izany fanontaniany izany. Koa aza maka fanahy an’Andriamanitra izany : olombelona ve hiady amin’Andriamanitra, tsy hiala maina ohatr’izany ? Fa eo amin’ny fiainantsika koa misy ny toa an’izany : efa misy zavatra ao an-dohany ao kanefa mody manontany ihany izy ka tsy ny valim-panontaniana no tena tadiaviny fa toa entiny mamandrimpandrika fotsiny ihany. Amin’izany, tsy laitra akisoka mihitsy, tsy mety hatoro fa ny azy ihany. Vela-pandrika izany. Mova tsy Sadoseanina amin’ny endriny vaovao ! Tsy mba toy ny mpampianatra izay fitia te hahazo ny valiny marina amin’ny mpianany matoa manontany fa tsy ny mifamadika amin’izany, hoe tsy fahalalana, toy ny an’ny mpianatra manontany ny mpampianany. Koa aza manatsafa toa mpaka afo.

Manaraka izany, aza mialokaloka ambany lalàna fotsiny, toy ny voalaza eto hoe : "I Môizy nanome lalàna ho antsika…" fa meteza mandray sy mihaino ny hafa. Aza mikombona ambany lalàna fa misokafa amin’ny hafa. Aoka tsy ny ao an-doha ihany no tiana hanerena ny hafa hanaiky ny an’ny tena, fa mahaiza mandray ny an’ny hafa. Marina fa natao ho fefy sy ho aro fanina ny lalàna fa tsy ireny indray no hibaiko sy hangeja, natao hanafaka fa tsy hanandevo. Aoka koa tsy ny lalàna no hanarotsaronana ny ratsy sy ny tsy mety atao. Aoka tsy ho ampiasaina hampametimety ny tena na ny olona ombantsika ny lalàna fa ho araka ny tena izy tokoa ka hanamboniana ny aina sy ny soa iombonana aloha. Tsy ho baikon’ny kolikoly koa anie ny marina fa manimba sady loza mitatao izany. Fa rehefa marina dia marina ary rehefa diso dia diso. Dia izay no avoaka. Tsarovy mandrakariva fa samy mbola handalo eo anatrehan’ilay fitsarana marina, tsy miangatra isika. Zanaky ny fitsanganan-ko velona isika sady manara-dia an’Ilay nitsangan-ko velona dia i Kristy izany. Ka aoka ny teniny no ho torolalana ho antsika, Izy no aoka arahantsika. Ny fahamboniana nanandratana antsika tamin’ny Batemy noraisintsika, aza afotetaka amin’ny tany intsony. Mazava ny lazain’i Jesoa eto : "Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina ; fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganana avy any amin’ny maty kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny Anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganan-ko velona". Satria tsy mba Andriamanitra ny maty Izy, fa an’ny velona. Sady Andriamanitra velona rahateo. Farany : aza ravàna amin’ny fisainana ara-nofo ny an’ny fanahy. Mazava ny vavaka nampianarin’Izy Tompo hoe : "Ny ety an-tany ho tahaka ny any an-danitra" fa tsy sanatria ny mifanohitra amin’izany ka lasa hoe: "Ny any an-danitra ho tahaka ny ety an-tany" ka ho loza ! Tsy hisy izany. Tsy hisy filàn’ny nofo hibaiko intsony amin’izany ! Ambonio mandrakariva ny fanahy.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...