Sabotsy 5 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 9-15

Toa fanohizana ny fanazavana ilay fanoharana mahakasika ilay mpitandrina tsy marina noresahantsika omaly ihany no tantaraina anio, fa saingy mila fanazavana bebe kokoa ny nolazain’i Jesoa amin’ilay hoe : "koa raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo ?" (Lk 16, 12).

Fa ahoana tokoa moa izany mahatoky amin’ny harena tsy marina izany ? Ary nahoana no lazain’i Jesoa fa azo anankinana andraikitra izany karazan’olona izany, no sady azo antoka fa ho tafiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra ihany koa ?

Ny atao hoe mahatoky amin’ny harena tsy marina dia ny hoe tsy mivadika velively amin’ny fanompoana an’Andriamanitra na dia eo aza ny fakam-panahy mety ho tonga amin’ny fitantanana ny vola sy ny tariny. Izany olona izany dia mendrika ny hampiandraiketana ny fitantanana ny Fiangonana satria hikatsaka mandrakariva ny soa iombonana hatrany ; hitsinjo ireo sahirana hatrany izany olona izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...