Zoma 4 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-8

Ilay mpitandrina tsy marina indray no fanoharana manaraka hojerentsika anio. Mahagaga anefa fa ilay fihetsika tsy marina, tsy mendrika no amporisihin’i Jesoa hananantsika kristianina.

Lazain’i Jesoa fa mahay manoma mialoha ary mahay mitsinjo ny ho avy ny olon’izao tontolo izao. Voleny fatratra noho izany ny fahaiza-mifandray amin’ny hafa. Manatombo noho ny zanaky ny hazana izy ireo amin’izany sehatra izany. Inona re no nitranga raha toa ka fetsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ny kristianina e ? Ho tahaka ny ahoana isika raha toa ka mahay mampiasa an’izany hakingan-tsaina izany amin’ny tsara ho fikatsahahana ny voninahitr’Andriamanitra, ho fampandrosoana ny fanjakany ihany koa ?

Mikely aina ny zanak’izao tontolo izao, ary ampiasainy ny fahaizany rehetra, ny heriny manontolo mba hahatratrarany ny tanjona tiany hotratrarina eo amin’ny fiainana : fahafinaretana isan-karazany, faniriana... Fa toa tsy izany akory no hita taratra eo amin’ny fiainan’ny kristianina, toa tsy ahitana hafanam-po amin’ny fikolokoloana ny fiainana ara-panahy, toa mangatsiaka amin’ny fiomanana amin’ilay fiainana mandrakizay. Sady mampametra-panontaniana antsika ity fanoharana ity no manentana antsika ihany koa, satria maninona no matotra ary fetsy sy manana hafanam-po hanao ny ratsy ny zanak’izao tontolo izao kanefa isika kristianina tsy ahitana an’izany hafanam-po izany amin’ny fanaovana ny soa sy ny meva ? Tokony hahay hitsinjo ny fiainana any an-koatra amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona aminy sy fanatsarany ny fiainany ary amin’andraikitra sy adidy nankinin’Andriamanitra taminy.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...