Alatsinainy 24 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 10-17

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nampianatra tao amin’ny sinagôga anankiray indray Sabata, ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony hatramin’ny valo ambin’ny folo taona, ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy. Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy ka nanao taminy hoe: "Ravehivavy, afaka ny aretinao." Dia nametrahany tanana izy, ka nitraka niaraka tamin’izay, sy nankalaza an’Andriamanitra. Fa sosotra ny lehiben’ny sinagôga noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro Sabata, ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin’ireo ianareo, fa aza amin’ny andro Sabata." Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy: "Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany hiala amin’ny tranony avy ianareo, ka mitondra azy hisotro rano na dia Sabata aza ny andro? Ary itý zanakavavin’i Abrahama izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona itý ve tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata?" Tamin’izy niteny izany, izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana, fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...