Alatsinainy 17 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 13-21
Raha halaina aminao fanahinao, ho an’iza ary izay novorinao ? Io fanontaniana napetrak’Andriamanitra tamin’ity lehilahy mpanankarena anankiray eto amin’ny Evanjely ity. Mipetraka amintsika tsirairay avy ihany ko izany fanontaniana izany. Ka ny mety ho valinten’ny maro amintsika dia ny hoe : manangona aho mba holovain’ny taranako rahatrizay. Efa valinteny mifono fahendrena vokatry ny fandraisana sy fiainana ny tenin’Andriamanitra izany, satria efa maneho ny fisokafan’ny fontsika hitsinjo sy hitia ny hafa. Araka fampianaran’i Jesoa dia ny lalàna voalohany indrindra mantsy dia ny fitiavana ny hafa. Ny fisokafan’ny fontsika hizara izay mety mba kely vita. Izay fitodihana amin’ny hafa izay no tsy ampy amin’ity lehilahy mpanankarena notenenin’i Jesoa tamin’ny fanoharana teo ity. Tsy mba nanokatra ny fony hijery ny hafa akory. Nifikitra tamin’ny harena mandalo ka niaina tao anaty fitiavan-tena tanteraka izy, nihevitra ny hampiadana ny tenany samy irery amin’ny harena ka tsy mihevitra ny hafa na oviana na oviana. Ka mazava ny hafatra tian’i Jesoa hampitaina amintsika androany, fa ny olona manangon-karena ho an’ny tenany ihany dia mivelona amin’ny fitiavan-tena ; fa ny olona mihary eo amin’Andriamanitra kosa dia manokatra ny fony hijery ny hafa, hanampy ny hafa, hangoraka ny hafa. Koa mifampivavaha hatrany isika hivelona mandrakariva ao antiny fifampitsinjovana sy fifankatiavana marina araka fanirian’Andriamanitra amintsika olombelona.