Alahady 9 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19

Ry kristianina havana ; an-dalana miakatra hihazo an’i Jerosalema i Jesoa no mandalo amin’ny sisintanin’i Samaria, izany hoe mandalo ao an-tanànan’ny tsy mpino ho any amin’ny tanàna masina. Mirakitra fanambarana goavana amin’ny tantaram-pamonjena i Samaria, toy ilay fanoharana momba ilay Samaritanina tsara fanahy, ny resaka tamin’ilay vehivavy Samaritanina eto am-pantsakana ; eto indray izao i Jesoa manasitrana boka. Inona no dikan’izany dia hoe mitory ilay fitiavan’Andriamanitra tsy manavaka izany. Ny olombelona no manavaka sy manilikilika fa Andriamanitra tia ny hahavonjy ny olona rehetra, eny fa na dia ireo mandà Azy aza. Misongadina aza fa ilay Samaritanina (tsy jody, tsy mpino) no nahay nisaotra an’i Jesoa rahefa sitrana tamin’ny habokany. Olona tsy ampoizina matetika no tena manam-pinoana noho ireo efa ela nivavahana nentim-paharazana sy nentim-pahazarana.

Famindram-po no nangatahan’ireto boka folo lahy satria araka ny fiheverana tamin’izany dia sazin’ny fahotana natao ny aretina ; ka rahefa afaka ny fahotana dia sitrana koa ny aretina. Ilay isa folo moa eto midika hoe mety hahavoa ny sokajin’olona rehetra ny faharatsiana. Misy lafiny roa dinihana mandrakariva ny fanasitranana ataon’i Jesoa : sitraniny ny aretim-batana izay mampangirifiry ny nofo, averiny amin’ny laoniny ilay nofo mila ho rava ; etsy an-kilany sitraniny ilay fanahy bokan’ny fahotana, averiny amin’ny laoniny ilay fahamasinana sy fahamendrehana maha zanak’Andriamanitra ; averiny eo anivom-piarahamonina ilay voahilika teo, ampidiriny ho isam-bahoakan’Andriamanitra, miaina an-kalalahana sy manolotra sorona. Izay no dikan’ilay hoe misehoa amin’ny mpisorona, satria ny mpisorona no manam-pahefana hita mason’ny vahoaka amin’izany.

Tenin’i Jesoa indraim-bava dia ninoan’izy folo lahy ka nahasitrana azy ireo avy hatany. Ny finoana no mahatanteraka ny fahasitranana. Nahalala nisaotra ilay Samaritanina rehefa sitrana ary noderain’i Jesoa manokana izany fihetsika izany. Tsy ireo mihevi-tena ho tena mpivavaka matetika no lasa lavitra amin’ny finoana fa ireo olon-tsotra tsy be filirony. Hadino matetika ny misaotra an’Andriamanitra rehefa azo izay notadiavina : atao filan-draha tsy mahita Andriamanitra, atao vato natsindry ahazana Andriamanitra. Ny vavaka aorian’ny sakafo aza hadino. Atombohy amin’ny fisaorana an’Andriamanitra ny vavaka sy ny zavatra rehetra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...