Talata 4 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42

Mba hahafahana manara-dia an’i Kristy dia tsy maintsy mampiantrano azy, mila mitoetra eo an-tongony mba hihaino ny fampianarany. Eto amin’ity Evanjely ity i Jesoa dia milaza fa i Maria no nisafidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy. Io dia tsy midika akory hoe ambany ny asan’i Marta fa manampy antsika kosa hahatakatra fa tsy ampy ny miasa fotsiny. Ary raha miasa isika nefa entina manambanimbany ny hafa ny asa dia tsy izy : "Tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery ?". Azo lazaina fa fakampanahy koa anefa io nahazo any Marta io mba tsy hihainoana ny tenin’Andriamanitra. Inona ary no zavatra ambony sy tsara lanja noho ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra, ao no hanovozana hery entina miasa ; io asantsika io dia mety tsy hifanaraka akory amin’ny sitrapon’Andriamanitra raha tsy mihaino an’Andiamanitra isika, vokany dia hanao izay saim-pantatsika fotsiny isika avy eo. Ny mpianatr’i Jesoa marina dia mandray ny baiko avy aminy aloha, ka avy eo vao manohy ny asany mifanaraka amin’izay.

Be ireo revo amin’ny asa aman-draharaha ka tsy mahita fotoana hivavahana intsony ankehitriny, misy koa anefa ireo mivavaka ihany saingy tsy miasa manaporofo an’izay vavaka hataony izay. Aoka ho tsaroantsika mandrakariva anefa fa mifameno ny asa sy ny vavaka, ary ny fahaizana mandrindra an’ireo no ahafahana mizotra amin’ny fahamasinana. Izay kamo miasa dia tsy mba mivavaka tsara ary izay kamo mivavaka kosa ka milaza fa aleo miasa, dia miasa ho an’ny tenany fa tsy ho voninahitr’Andriamanitra. Raha sady kamo miasa no kamo mivavaka dia mila mibebaka.

Voaantso ho tonga lavorary ao amin’i Kristy isika rehetra hoy i Masindahy Paoly. Tsy afaka ny hiroso ho amin’ny lalan’ny fahalavorariana izay tsy mitady ny lalana mitodra makany. Ny mitoetra eo an-tongotr’i Kristy no lalana sarobidy indrindra, soa indrindra izay tsy halana amin’izay mihaiky azy ho Tompo. Tsy rariny hoy ireo apôstôly raha ilaozana manao zavatra hafa ny fitoriana ny Evanjely eny fa na dia fikarakarana ireo mahantra aza.

Diovy izahay ry Jesoa, ary aoka ianao handavorary ny fiainanay andavan’andro ; amin’izany izahay dia hitandrina sy ihaino ny teninao mba hahafahanay manantateraka azy isan’andro. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...