Alatsinainy 3 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37

Inona no ataoko ahazoako ny fiainana mandrakizay hoy ilay mpampiana-dalana, izay voalaza fa haka fanahy an’i Jesoa.

Misy tokoa ireo izay mihevitra fa valisoan’ny ezaka ataony ety an-tany ny paradisa ka manao ny ainy tsy ho zavatra. Tadidio anefa fa fanomezana maimaim-poana ny paradisa fa tsy valisoan’ny ezaka vita velively. Lova ho an’ny zanaka ny paradisa, izay zanaka no afaka mandova. Anisan’ny valintenin’i Jesoa koa eto ny hoe mba ahafahanao mandova ny fiainana dia tandremo ny didy, ambaran’i Jesoa eto fa izay mitandrina ny didy dia ho velona satria io no lalana mitondra amin’ny fianana sy ny fahasambarana mandrakizay. Io lalana io tsy dia hoe zavatra tsy takatry ny saina na sarotra be ka hangeja antsika fa zavatra azo hiainana tsara.

Ny zava-dehibe amintsika dia ny fahalalana fa zananak’Andriamanitra koa isika. I Jesoa irery ihany no zanaka fa rehefa miombona amin’i Jesoa isika no tena misalotra ny zo maha zanaka tanteraka. Noho izany, izay misaraka aminy dia mamono aina ahafahana ho velona ka handova ny fianana, satria izay velona no mandova, tsy misy maty ka mandova izany. Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izay rehetra midina avy any Jerosalema araka ny Evanjely dia mijanona amin’ny fitiavan-tenany ka tsy mahita sy mitia ny hafa. Ny iray saika maty vao navelan’ny jiolahy, nitondra harem-be avy any io satria tsy misy jiolahy hirisika hanafika olona mahantra izany.

Ny mpisorona sy ny levita nandalo fotsiny fa tsy afaka handany andro haloto amin’izay olona mihoson-dra sy sisam-paty, satria io olona io raha tiavina dia tsy mahatsiaro tena fa notiavina izy. Misy ny manana fiheverana fa izay afaka mamaly soa ihany no tiaviana. Jereo ilay Samaritanina banjino ny fihetsiny sy ny ataony dia alaivo tahaka fa naman’ireo ory sy mijaly izy. Tsy afaka ny ahita ilay lehilahy novonoin’ny jiolahy izay tsy te hizotra ny lalana makany Jerosalema. Izay no mahatonga ny Fiangonana miara-mizotra ho any Jerosalema vaovao araka ny hira sy ny hoe sinaody miara-dia, miara-mizotra.

Izay mangoraka no afaka hamehy ny fery dia ilay Samaritanina. Ny soavaliny no nampitaingeniny an’ilay nokarakarainy mba hitondra azy any amin’ny tranom-bahiny ; ny dikan’io hoe tranom-bahiny io dia mandray ny olona rehetra toy ny Fiangonana, tsy mialonjafy. Adidy nankinin’Andriamanitra amin’ny Fiangonana ny hikarakara sy hitsabo ny olombelona rehetra. Diloilo, divay, rano sy ra. Loharanon’ny sakramenta entina mikarakara ireo izay ampiantranoiny, mbola hiverina anefa izy hanonitra izay lany na ohatrinona na ohatrinona.

Antsoiny hanao toy izany koa izay te ho zanaka mpandova ny fiainana mandrakizay. Hampifanaraka ny fiaianatsika amin’izay voalazan’ny Evanjely anie isika, hampody lalana ireo naniasia ary handray ny olon-drehetra sy hitia azy ireo tahaka ny itiavantsika ny tenantsika satria izany no didin’ilay Ray tia antsika zanany. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...