Sabotsy 1 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 17-24

Ry kristianina havana, ity Evanjely anio ity dia manambara amintsika hevitra lehibe telo : ny fiverenan’ireo mpianatra roa amby fitopolo lahy, ny hafalian’i Jesoa sy ny fahasambaran’ireo mpianany.

Ireto mpianatra àry rahefa avy nandeha nitory sy nampianatra ny fanjakan’Andriamanitra dia niverina indray namonjy an’i Jesoa. Nanao tatitra ny zavatra niainan’izy ireo tamin’i Jesoa izy ireo. Nilaza ny fahombiazan’ny asa apôstôlika notanterahiny izy ireo noho ny anaran’i Jesoa, nahavita asa lehibe amin’ny fanafahana ny olombelona. "Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny anaranao". Famantarana fa ny fanjakan’Andriamanitra dia efa eo sy miasa. Nilatsaka avy any an-danitra ny Satana tahaka ny varatra. Nilatsaka avy any ambony midika fa resy, tsy manan-kery intsony. Hitan’i Jesoa fa marina ny tatitra nataon’ny mpianany. Faly ny mpianany noho izany. Fa i Jesoa nilaza zavatra lehibe kokoa amin’ny antony tokony hifalian’izy ireo dia ny anarana voasoratra any an-danitra. Ilaintsika ny mifampizara ny vokatry ny asa pastôraly ataontsika. Ary tsy maintsy tsaroantsika fa isika dia iraka ihany. Noho izany ilaintsika ny maneho fiombonana lalina miaraka amin’ny eveka sy ny pretra. Tandremo sao tratran’ny hevi-dison’izao tontolo izao ka hitady valisoa dieny ety an-tany, fa hanana fanantenana kosa amin’ny fandovana ny lanitra satria voasoratra any an-danitra ny anarantsika.

Ny manaraka dia ny fahitantsika an’i Jesoa izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina izay nanambarany ny misterin’ireo tsotra, madinika. Anisan’ny mampihetsi-po amin’ny Evanjely rehetra : "Misaotra anao aho ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany noho ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny Raiko fa izany no sitraponao". Hita miombom-po tanteraka ny Ray sy i Jesoa ary mifankahalala. I Jesoa izay misokatra amin’ny Ray am-panetren-tena sy miankina aminy tanteraka.

Ireto mpianatra kosa dia voasokajy ho sambatra satria nahita maso sy naheno. Maro ny mpanjaka sy ny mpaminany naniry hahita sy handre fa tsy nahazo. Ny mpianatra kosa nahazo tombony manokana, teo ny nahitany ny fandresen’i Jesoa ny ratsy, teo ny fahalalany ny tsiambaratelon’ny fanjakan’Andriamanitra.

Anisan’ny nisongadina tamin’ity Evanjely ity ny hafaliana. Na i Jesoa na ny mpianatra dia samy niaina izany hafaliana izany. Isika ankehitriny miara-dalana amin’ny Eglizy, manao ahoana izany hafalian’ny Evanjely izany ? Ny andraikitra raisina ao amin’ny Eglizy, nitondra hafaliam-po amintsika ve ? Tsy higoka izany hafaliana izany isika raha tsy manana fon-jaza izay mitondra antsika any amin’ny fitokisana sy fanankinana eo am-pelan-tanan’Andriamanitra ny asa pastôraly rehetra. Hahatsiaro fa zanaka itokisana ka ametrahana andraikitra ary tsy manira-tena fa mahatsiaro irahina ka mahatoky mandrakariva ny fanampian’ilay maniraka. I Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely, tsarovana anio dia niaina izany fahasoavana izany ka nifaly tanteraka tamin’ny fanatanterahana ny antso sy ny sitrapon’Andriamanitra taminy. Naniry handeha hanao misionera fa niaina sy nanatontosa izany tamim-pitiavana tao amin’ny monastera. Nandray filamatra teo amin’ny fiainany hoe : "Ho fitiavana aho ao am-pon’ny Eglizy, reniko".

Ry Ray ô, fenoy ny herim-ponao hatrany ireo zanakao irahinao, handeha am-pitiavana sy fitokisana anao amin’ny fanatanterahana ny fitoriana ny fanjakanao, manerana ny tany rehetra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...