Zoma 30 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 13-16

Mialoha an’ity andalan-tSoratra Masina vakiana amintsika androany ity, i Jesoa nifidy roa amby fitopolo lahy ary nirahiny tsiroaroa. Nahazo fahefana tamin’i Jesoa izy ireo, "mandehana" fa koa efa nampahafantarin’i Jesoa mialoha ny fahasarotan’ny fanirahana atrehin’izy ireo. "Indro aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia". Ankoatra ireo fepetra tsy maintsy arahin’ireto mpianany dia hoy i Jesoa nanafatra ny mpianany manoloana an’ireo tanana izay mety tsy handray azy ireo : "Mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe na ny vovoka ny tanànanareo nipetraka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampangana anareo fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra". Na eo aza izay fandavana ny tsy fihainoana izay, napetrak’i Jesoa ny tsy fampiasan-kery sy ny fiainana ny fahantrana fa nirahiny handeha mifindra tanàna. Na eo ny fankatoavana na tsy fankatoavana ny mpianatr’i Jesoa, ny fanjakan’Andriamanitra dia eo mandrakariva fa kosa niteny mafy i Jesoa ho an’ireo tanàna izay tsy mibebaka.

Ny tohin’ny Soratra Masina dia milaza ny fanamelohana ireo tanàna telo sy ny fahefana amin’ny anaran’i Jesoa ananan’ireto mpianany. Tsy natao ho an’ireo mpianatr’i Jesoa ny hitsara ny tsy fandraisana azy ireo fa natao hitory teny, hampianatra ihany izy ireo. Ka i Jesoa eto no miteny mafy, mitsara ireo tanàna izay niasany mafy izay nahazo tombony kokoa noho ny tanàna hafa : "Loza ho anao ry Korozaina, loza ho anao ry Betsaida, ianao ry Kafarnaoma haetry hatrany amin’ny afobe". Nahazo fanalefahana kosa i Tira sy Sidona. Noho izany amin’ny andron’ny fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho an’i Tira sy sidona. Izay nahazo betsaka tokoa dia mila mamokatra bebe kokoa noho ny hafa. Izay nahazo be dia be dia takiana be. Miteny ny momba ny fitsarana i Jesoa, noho izany na iza na iza manoloana ny fandraisana ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy misy afaka. Ohatra ho antsika ny fomba fitsaran’i Jesoa. Miainga mandrakariva izy amin’ny tranga anankiray ary manao fampitahana amin’izany. Tahaka ilay vehivavy voampanga nanitsakitsaka tokantrano nentina teo anatrehany izay mendrika ho toraham-bato, hoy izy izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy (Jo 8, 7). Tsy natao hitsara anefa izy fa tonga hitondra famonjena (Jo 12, 47). Noho izany izay mino azy dia efa voavonjy fa izay mandà azy dia efa mitsara sy manary ny tenany (Jo 3, 18).

Ny asa famonjena nataon’i Jesoa dia mitohy amin’ny alalan’ny Eglizy ankehitriny. Tsy niasa irery i Jesoa fa nifidy ireo mpianatra hiara-miasa aminy. Ary lehibe loatra ny fiombonana amin’izany asa famonjena natombony izany miaraka amin’ny Eglizy. "Izay mihaino anareo mihaino ahy ary izay manamavo anareo, manamavo ahy, izay manamavo ahy anefa dia manamavo izay naniraka ahy". Mifaningotra tanteraka ny asa fanirahana niantefa tamin’i Jesoa sy ny mpianatra ary ny Eglizy ankehitriny. Noho izany mitovy tanteraka ny irahina sy ny mpaniraka satria ny irahina dia misolo tena ny mpaniraka ary mitondra ny fahefany. Fankaherezana ho an’ny Eglizy ny tenin’i Jesoa satria tena ahitana ilay fiombonana, vatana iray tokoa.

Ry Jesoa Tomponay, misaotra anao amin’ny fifidianana sy ny fitokisanao anay. Enga anie tsy handraraka ilo mby an-doha izahay fa hanome voninahitra anao hatrany amin’ny asa ataonay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...