Alatsinainy 26 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 46-50

Ry kristianina havana, hitantsika eny amin’ny fiaraha-monina indraindray, trangan-javatra mety hiseho amin’ny fifidianana maro isan-karazany mba ho lany filoha. Mba hahatratrarana izany tanjona izany, maro ny endri-javatra mety hiseho : kabary tsara lahatra, fampielezan-kevitra poakaty, fifanaratsiana, fifidianana safidy mialoha amin’ny fandraisana tambiny... Ho filoha izany mantsy dia zava-dehibe loatra ho an’ny sasany, satria hanana fahefana, voninahitra, hankatoavin-teny, handrindra sy handamina ary hamolavola lamina maro samihafa.

Ireto mpianatr’i Jesoa dia nisy tranga nahagaga azy. Taorian’ny nilazany fa hijaly sy hatolotra ny manam-pahefana ary hovonoina sy ho faty izy no niseho ny tsirin-kevitra tao an-tsain’ireto mpianany, ny amin’izay ho lehibe amin’izy ireo, izany hoe izay ho filohan’izy ireo. Tsy mbola fantatr’izy ireo hoe Mesia manao ahoana ity Jesoa arahin’izy ireo. Angamba tafiditra tao amin’izy ireo ny rivotr’izao tontolo izao dia ny lehibe izay ho filoha ka hanam-pahefana ara-panjakana sy ara-piaraha-monina ka hiteraka fiadian-tseza indraindray.

I Jesoa kosa mampianatra fa izay te ho lehibe aminareo, hoy izy, aoka ho mpanomponareo (Mt 20, 25). Izany hoe hifanohitra amin’ny hevitr’izao tontolo izao, tsy ho tompoina fa hanompo. Ary amin’ity Evanjely ity i Jesoa dia naka zaza teo anilany ka hoy izy : "Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny anarako dia mandray ahy...". Izay te ho lehibe àry dia ho tahaka ny ray aman-dreny aloha : hahafoy tena hanompo ny zanany, tsy hitaraina tana-miepaka amin’ny fikarakarana azy, hanompo amim-pitiavana tsy hiandry tambiny, hamelona sy hiaro azy. Mbola nampian’i Jesoa fa ireo madinika ireo aza no hanana ny fanjakan’Andriamanitra (Mk 10, 14). "Izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe". Fa izay mandray ireto madinika ireto no tena madinika kokoa aza satria nampiseho fanompoana. Noho izany indrindra ho lehibe izy amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Ny anaran’i Jesoa no voalaza na amin’ny tapany voalohany na amin’ny tapany faharoa : amin’ny fandraisana ny zaza sy amin’ny fandroahana ny demony. Izany hoe ireo izay manatanteraka ireto asa ireto dia tsy manao izany amin’ny anarany fa miankina tanteraka amin’i Jesoa amin’ny anarany. Ny fampiasana ny anaran’i Jesoa eto dia maneho fa tsy mahavita inona inona izy ireo amin’ny herin’ny tenany, fanetren-tena lehibe ho an’ireto mpianany sy izay mino azy izany. Ny anaran’i Jesoa no maha vanona ny vavak’izy ireo sy manome lanja ny asa fanirahana tanterahan’izy ireo ary indrindra ny mampahazo antoka ny fandefasana sy ny fisian’ny Fanahy Masina.

Notenenin’i Jesoa ireto mpianany mba tsy handrara ireo nandroaka demony tamin’ny anarany fa izay tsy manohitra anareo hoy izy dia momba anareo. Tsy misy tompon’ny Evanjely isika fa mpanompon’ny Evanjely. Ny zava-dehibe dia ny hielezan’ny fanjakan’Andriamanitra fa tsy sanatria ny hampalaza ny fiangonana iray.

Ry Jesoa zokinay, ataovy maka tahaka anao izahay amin’ny fanompoana an-kafaliana ireo rahalahinay amin’ny anaranao ary hizara ny hafaliana sy ny fanantenana amin’ny rehetra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...