Sabotsy 24 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 43b-45

Indro àry fa manafatra ny mpianany i Kristy, fa tsy maintsy hijaly, hatolotra eo am-pelatanan'ny olona, hiala amin'izao tontolo izao izy, ka ny mpianany no hanohy izay efa natombony. Tsy azon'ny mpianatra anefa izany ary tsy sahiny nanontaniana ihany koa, satria nolavin'izy ireo ny teny efa nambaran'i Kristy mialoha mahakasika izany, indrindra ny fahafatesan'i Kristy. Tsy azon'izy ireo fa io fijalian'i Kristy io no ilay faratampony amin'ny fitiavan'i Kristy an'izao tontolo izao. Koa tsy sasatra i Kristy no manambara amin'ireto mpianany fa trangam-piainana tsy maintsy hatrehany izany : "Alatsaho tsara ao amin'ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan'ny olona ny Zanak'Olona". Misy ilay fomba fiteny hoe : "Tsy mino ny maty raha tsy avy nandevina", koa tsy izany ve no nitranga eto amin'ireto mpianatra ireto ? Tsy nahazo izay nambaran'i Kristy, fony izy nilaza izany, fa rehefa tonga ny fahafatesany vao tora-kovitra, ary natahotra mihitsy aza ka nihidy aman-trano. Raiso àry, ho fampianarana ho antsika ihany koa ny voalazan'i Kristy eto mba hanomana mandrakariva ny trangam-piainana tsy maintsy hatrehina isika, fa tsy ho variana amin'izay hitan'ny maso ankehitriny fotsiny.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...