Alahady 18 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Izay tia Ahy dia hitandrina ny teniko ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-13

"Tsy afaka manompo an'Andriamanitra sy ny harena ianareo". Matetika i Kristy rehefa hampita ny fampianarany, indrindra amin'ireo mpianany, dia amin'ny alalan'ny fanoharana no ampitany an'izany. Eto àry ny fampianarany dia mahakasika ny fitantanana ny fananana, indrindra ny vola, mba ho ara-drariny sy ara-pahamarinana. Asehon'i Kristy amin'ny fanoharana ataony fa eo amin'ny olombelona dia misy ny fetsifetsy, tia kely, tsy mijery afa-tsy ny tombon-tsoa ho an'ny tenany ; fa amin'Andriamanitra kosa dia ny marina sy ny mazava hatrany : "Raha tsy mahatoky amin'ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina ?". Ny mpianany no tiany hiaina ny marina satria zanaky ny fahamarinana izy ireo amin'ny maha voafidy manoka azy ireo ; izy ireo no tiany hiaina amin'ny mazava satria zanaky ny fahazavana izy ireo, ary tena fahazavana mihitsy aza araka ny nanambaran'i Kristy azy.

Betsaka ny fahasoavana azony, endriky ny harena marina omen'Andriamanitra azy ireny, ka tsy tokony holanilaniana amin'ny tsy misy antony. Misy mantsy ny fakam-panahy, indrindra manoloana ny vola, ka tsy tian'i Kristy hatakalon'izy ireo ny vola ny fahatokisana azy. Sarobidy tokoa ny fahatokisana an'Andriamanitra ary harena tsy lany laniana izay ka tsy azo ataotao foana ny fitantanana azy. Izay indrindra no mahatonga an'i Kristy hampandinika ny mpianany mba tsy hanao ambin-javatra na hanao tan-tsy vinitra ny fitiavana azy. Fanoharana ihany ny harena sy ny vola eto fa ilay fahatokisana apetrak'i Kristy aminy, ilay fitiavana nitiavan'i Kristy azy no tiany hamafisina sy hotandremana manoloana ny fakam-panahy sy ny toetran'ireo Farisianina nihaino azy. Miantefa amintsika ankehitriny ihany koa izany fampianaran'i Kristy izany, indrindra isika kristianina, mino sy matoky an'i Kristy, mizotra ho toy ny zanaky ny mazava sy ny fahamarinana, ary "aleo very tsikalakalam-bola, toa izay very tsikalakalam-pihavanana", indrindra fa amin'Andriamanitra. Aza atakalo vola izy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...