Sabotsy 17 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 4-15

Ry kristianina havana ! Tsy vaovao amintsika intsony ity fanoharan’i Jesoa ity, fa matetika àry, miverimberina amintsika. Ireo Mpanoratra ny Evanjely fotsiny moa no samy manana ny filazany azy. Tsy misy teny lazaina intsony enti-manazava ny fanoharana nataon’i Jesoa androany, satria ao amin’ny tapany faharoa dia i Jesoa mihitsy no manazava azy amin’ny antsipiriany raha nangataka fanazavana ny mpianany. Ny hany mahalasa saina kely fotsiny dia ny filazan’i Jesoa hoe : "Fanoharana no entina milaza amin’ny hafa ankoatra ny Apôstôly mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra". Ny azo ambara amin’izany dia ny mba hahanantsika hetaheta mandrakariva eo anatrehan’ny fampianaran’i Jesoa ka hahatonga antsika handinika sy handalina ao an-tsaina sy ao am-po ny Teniny. Mazava io tapany faharoa ao amin’ny Evanjely io izay manambara ny fiantefan’ny Tenin’Andriamanitra any amintsika hoe : "Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. Ireo teny an-dalam-be no izay nandre, fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka ho voavonjy. Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy. Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izany nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa. Fa ireo latsaka tamin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana". Raha fintinina izany filazan’i Jesoa azy izany dia izao no azo ambara : mba hahatonga ny Tenin’Andriamanitra hampiroborobo ny fiainantsika dia tokony handray azy am-pitokiana sy am-pinoana isika fa teny mahasoa sy mahavelona ny Tenin’Andriamanitra. Manaraka izany dia tokony hanana faharetana isika eo am-piezahana miaina sy mandatsa-paka azy eo amin’ny fiainana andavanandro.

Nanomboka tamin’ny Konsily Vatikana faharoa dia nampirisihan’ny Fianganana ny zanany mba hamaky sy handalina ny Tenin’Andriamanitra, satria io no lalana voalohany mitondra antsika hifankazatra amin’Andriamanitra sy hahalala Azy. Ankehitriny moa dia miezaka ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana manome antsika ny Baiboly mety sy sahaza ny rehetra, mora tehirizina, mora vakiana, manintona ankoatra ny Tenin’Andriamanitra ao anatiny ary manara-penitra. Fa io Tenin’Andriamanitra io koa dia mitaona antsika hiditra bebe kokoa any amin’ny aty fanahintsika ka hahafantarantsika ny toe-po amam-panahintsika manoloana ny fitiavan’Andriamanitra. Izay fiantsoana antsika handini-tena manoloana ny Tenin’Andriamanitra izay dia anisan’ny ezaka tokony hataontsika isan’andro, raha tsy izany dia tsy hamokatra mihitsy ny maha kristinanina antsika.

Jesoa Zoky ô ! Ampio izahay amin’ny ezaka rehetra ataonay amin’ny fanomanana ny tenanay – saina – fo – fanahy handray ny Teninao sy hiaina azy bebe kokoa ! Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...